• Cours de change
  • 5129.98 AR
  • |
  • $4421.64 AR
Copyright Image : © Esport Passion
Image
Sport

Lalao olaimpika- Efa eo am-pamaranana ny lisitry ny mpandray anjara farany ny KOM

27/06/2025 11:14 © Moov

Iray volana tsy hahatongavan’ny lalao olaimpika, hivoaka tsy ho ela ny anaran’ny atleta handray anjara amin’izany

Mpilalao Malagasy telo no efa ofisialy ny handraisany anjara amin’ny JO

Ny 26 jolay hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao no hanatanterahana ny lalao olaimpika, any Paris, Frantsa. Alteta miisa 7 no hisolo tena an’i Madagasikara ao anatin’izany fifaninanana olaimpika izany. Tsy tokony hisy fiovana intsony ny isan’izy ireo raha ny nambaran’ny kaomity olaimpika nasionaly. Telo amin’izy ireo no efa azo antoka tanteraka ny fandraisany anjara, ary efa nahazo ny tapakila ahafahany manatrika ny lalao. Isan’izany i Laura RASOANAIVO (Judo), Rosinah RANDAFIARISON (fibatana fonjam-by), RAKOTOARIMANANA (tenisy ambony latabatra). Efa namoaka lisitra ofisialy avokoa ny federasionina iraisam-pirenena misahana ireo taranja ireo. Hita tao anatin’izany lisitra izany avokoa ny anaran’ireo Atleta malagasy telo andeha hisolo tena any amin’ny JO ireo.
Mbola eo am-piandrasana izay fanasana avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena izay kosa ny taranja atletisma sy lomano ankehitriny. Raha ny tokony ho izy dia mbola misy mpilalao miisa 02 avy amin’ireo sokajin-dalao roa ireo izay mahafeno ny isa ho an’i Madagasikara.

Miandry ny lamina hapetraky ny KOM ny federasionina

Mbola eo am-pamaranana ny lisitra farany ho an’i Madagasikara hatreto ny tomponandraikitra. Mbola mifamahofaho koa ny resaka ho an’ireo taranja roa ireo, indrindra ny taranja lomano. I Holy Antsa RABEJAONA no mpilomana vehivavy tokony hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny lalao olaimpika. Ny kaomity olaimpika malagasy kosa no manapa-kevitra mahakasika ny fandefasana ireo atleta raha ny nambaran’ny tale tekinika nasionalin’ny lomano. Efa tapaka kosa fa i Jonathan Raharvel no hisolo tena ho an’ireo sokajy lehilahy. Nanamafy kosa ny KOM fa hampafantarina tsy ho ela ny lisitra ofisialin’ireo atleta. Mbola miandry fandaminana farany dia hivoaka izany. Ankoatrana ireo atleta, eo am-piandrasana ireo handrafitra ny delegasionina malagasy mandritra ny lalao olaimpika izay koa ny rehetra amin’izao fotoana.

Lire la suite

Articles Similaires