• Cours de change
  • 5191.45 AR
  • |
  • $5191.45 AR
Copyright Image : © Dano Jupiter Tombofeno
Image
Vaovao

Menaka nentin’ny sambo Amory : Azo hanina tsara, hoy ny ministeran’ny Varotra

02/07/2025 10:33 © Moov.Mg

Nitarika tahotra teo amin’ny mpajifa ny filazana, fa efa miparitaka eny amin’ny tsena ao Antsiranana ireo menaka nesorina avy ao anatin’ilay sambo Amory, izay fefika eo amin’ny sisin-dranomasina manamorona ny Mer d’Emeraude. Nandiso izany tsaho izany anefa ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny. Ankehitriny kosa dia vita ny fitiliana natao, ka azo hanina tsara ireo menaka ireo, hoy ny ministeran’ny Varotra.

Naato ny famarotana ny menaka

Mbola mitana ny sain’ny maro ireo tranga fahapoizinana na fanapoizinana ara-tsakafo, izay niseho tamin’ny toerana maro teto Madagasikara, hany ka mahina kokoa ny mpanjifa, rehefa misy ny tranga tsy fahita mahazatra. Isan’ny nampitahotra ireo mpanjifa ao Antsiranana, sy manerana an’i Madagasikara mihitsy, ny tsaho niely fa efa naparitaka manerana ny tsena ireo menaka izay nentin’ilay sambo mpitatitra entana Amory. Araka ny nambaran’ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana anefa, dia nanaiky ny hampiato ny fanaparitahana ireto menaka ireto eny amin’ny toeram-pivarotana aloha ny tompon’entana, mandrapivoakan’ny valin’ny fitiliana hatao amin’izy ireo.

Raha tsiahivina dia nesorina tao anatin’ny Amory ireo menaka ireo, mba ho fanamaivanana ny sambo, ka hahafana misintona azy hihazo ny seranan-tsambo. Nandeha anefa ny tsaho fa efa hita eny an-tsena izy ireo. Vokatr’izay dia nandeha nijery ny zava-misy marina ny tomponandraikitra avy eo anivon’ny antokon-draharaha misahana ny Fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy (APMF), ny avy eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana (DRIC) ao DIANA ary ny avy eo anivon’ny fadin-tseranana. Voamarina tamin’izany fa voatahiry tsara ao amin’ny Tobim-pamaharan'ny Tafika Andranomasina (BANA) ao Antsiranana ireo menaka 1 000 « bidons ».

Menaka nandalo fitiliana

Nalefa fiaramanidina nihazo an’Antananarivo ny santionan’izany menaka izany, ny alahady 29 jona 2025, araka ny tatitry ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, mba hanafainganana ny fitiliana teny amin’ny laboratoara. Nijery akaiky ny zava-misy teny an-tsambo sy ny entana tao anatiny kosa ny ekipan’ny fitaleavam-paritry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana ao DIANA, Niaraka tamin’ny Minisitry ny Fitaterana sy ireo tomponandraikitra any an-toerana, teo am-piandrasana izay valin’ny fitiliana izay.

Nampahafantarin’ny ministeran’ny Varotra androany 2 jolay 2025, fa azon’ny olombeloha hanina tsara ity menaka notaterin’ny sambo Amory ity, araka ny valin’ny fitiliana ny santionany, izay nataon’ny ACSSQDA (Agence de Contrôle de la Sécurité Sanitaire et de la Qualité des Denrées Alimentaires).
Raha tsiahivina, ny alahady 8 jona 2025 no fefika teo am-pidirana ny helodranon’i Diego Suarez, akaikin’ny Mer d’Emeraude, ny sambo Amory. Voalaza fa tsy niteraka trangana fandotoana an-dranomasina ny voina nahazo ity sambo ity.

Lire la suite

Articles Similaires