Kolontsaina Malagasy : Inona no atao hoe "Zomba" ?
Ny any Andrefana, Atsimo sy Atsimo Andrefan'i Madagasikara no tena mampiasa ny teny hoe "Zomba". Tsy dia mahalala mikasika izany raha ny eto afovoantany manokana, na dia ireo mpandala fomban-drazana aza. Ireo foko mpanao ny fomba toy ny "Fitampoha", ny "Fanompoambe" sy ny "Lohavogny" no tena mahafantatra ny mikasika ny "Zomba".
Famaritana tsotsotra
Ny "Zomba" dia "trano masina" na "trano fivavahana". Tsy sokafana isan'andro izy io, fa rehefa misy fankalazana ara-drazana lehibe ihany. Tsy vitan'ny trano masina ihany ny Zomba, fa sady fitehirizana ny vatana na ny sisan'ny Mpanjaka ihany koa. Toerana mifefy ny Zomba, ka olona mahazo tsodrano ihany no afaka miditra ao. Amin'ny ankapobeny, mila mamono omby Mazavaloha sy manatanteraka fombafomba vao mahazo alalana miditra ao amin'ny "Zomba". Tsy mahazo manao "salaka" na "kilaoty" moa rehefa miditra ao amin'ny Zomba, na lahy na vavy.
Ny any Nosikely Morondava ohatra, ny Zomba dia voadidina fefy hazo, misy saina fotsy mitsangana. An'ireo Sakalavan'i Menabe io toerana masina io. Eo andrefan'ny Hôtel restaurant Le palissandre no misy azy, izany hoe eny amin'ny "Petite plage". Ny ao amin'ny Doany Miarinarivo indray, an'ny Sakalavan'ny Boeny, somary lehibe ny trano falafa natokana ho "Zomba" ka mahazaka olona hatramin'ny 50 rehefa misy fombafomba atao.
Hevitra lalina kokoa
Samy manana ny fombany moa ny foko na faritra tsirairay. Ho an'ny any amin'ny faritra Atsimo sy Atsimo Andrefana, ny "jinin'ny dady" no tehirizina ao amin'ny "Zomba". Rehefa misy Ampanjaka miamboho, asitrika herintaona aloha ny vatany mba ho maina tsara.
Rehefa miherina ny taona, alaina ny hohony iray, ny vanginy roa sy ny silaky ny karandohany. Atambatra amin'ny vangim-boay sy hazo mahery ireo singa avy amin'ny vatan'ilay Ampanjaka ireo ka atao anaty "jinin'ny dady". Tsy inona izany ny "jinin'ny dady" fa vatakely vita amin'ny hazo miendrika tsifan'omby, fonosina lamba landy. Tsara ny manamarika fa alefa ao anatin'ny "jinin'ny dady" ihany koa izay fitaovana fampiasan'ilay niamboho fony fahavelony sy ny sariny. Araka ny finoana Malagasy, indrindra ho an'ireo Sakalava, ny "jinin'ny dady" no miteraka ilay "tromba". Mipetraka ao anatin'ny velona ny fanahin'ilay Ampanjaka rehefa vita ny fombafomba rehetra.
Tamin'ny taona 2021, anisan'ireo Harem-bakoka nohavaozin'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina ny Zomba Bezavo Mitsinjo, Zomba an'Andriamisara 4 dahy Miarinarivo Mahajanga ary ny Zomba Ilevenana an'Andriamisara 4 dahy Ankilivao Mahabo.