• Cours de change
  • 5125.25 AR
  • |
  • $4409.42 AR
Copyright Image : © Flair
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ‘ndeha ho fantarina ny mikasika ny « septicémie »

07/07/2025 16:28 © Moov.Mg

Hamehana ara-pahasalamana sarotra ary mety mahafaty ny « septicémie ». Mitranga izy io rehefa lasa mamotika ny « tissus » sy taova salama ao aminy ny vatana mba hanoherana « infection » iray. Tsy aretina tsotra ny « septicémie » fa « dysfonction organique » vokatry ny fikorontanan’ny fiasan’ny hery fiarovana.

Ahoana ny fiombon’ny « septicémie » ?

Matetika dia miantomboka amin’ny « infection » iray ny « septicémie ». Io « infection » io dia mety ho avy amin’ny bakteria, viriosy na katsentsitra ao amin’ny faritra n’aiza n’aiza ao amin’ny vatana, toy ny hoe « urinaire », « pulmonaire », « abdominale » na eo amin’ny hoditra avy amin’ny ratra nanonitra…
Raha ny tokony ho izy dia miasa manohitra ilay « infection » ny hery fiarovana. Raha manao « septicémie » kosa nefa dia lasa mihoatra be sy tsy voafehy ny fiasan’ny hery fiarovana. Izany hoe tsy ilay otrikaretina fotsiny no hiadiany fa lasa hatramin’ireo sela sy « tissus » salama rehetra ao amin’ny vatana. Izany dia mety miteraka :
« Inflammation généralisée ». Izany hoe lasa miparitaka ao amin’ny vatana ireo singa simika « pro-inflammatoires » ka lasa manimba ny lalandrà ;
Faharatran’ny taova satria lasa mety misy tsiranoka mivoaka amin’ireo lalandrà, mety mihena ny rà tonga any amin’ireo taova, misy vaingan-drà kely manentsina ny lalandrà ka manakana ny fitondrana ny « oxygène » sy ny otrikaina ;
« Choc septique ». Raha miombo ny « septicémie » dia lasa midina be tampoka ny tosidrà ka mitarika « choc septique ». Ity farany no dingana « grave » indrindra amin’ny « septicémie » ary matetika mahafaty. Tsy miasa tsara intsony ireo taova ary mety hanao « insuffisance rénale », « insuffisance respiratoire », « problèmes cardiaques »… ilay marary.

Iza no mety ho tratry ny « septicémie » ?

Marina fa mety ho tratry ny « septicémie » avokoa ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe. Ambony kokoa nefa ny « risques » mety hahavoa azy io eo amin’ny :
-Beantitra noho ny hery fiaraovany somary marefo ;
-Zaza sy ny ankizy kely noho ny hery fiarovany mbola tsy hary tsara ;
-Olona manana areti-mitaiza, toy ny diabeta, homamiadana, aretin’ny voa na ny aty… ;
-Olona marefo ny hery fiarovany, toy ireo manao « chimiothérapie », tratry ny VIH/SIDA… ;
-Olona nodidiana vao haingana na naratra mafy.

Inona avy ireo fambara na soritr’aretina ?

Mety ho malefaka amin’ny voalohany ary mihamafy na miharatsy malaky ny soritr’aretin’ny « septicémie ». Zava-dehiba arak’izany ny fahafantarana ireo fambara mba hahazoana fandraisan-tanana farak’izay haingana :
-Mikorontana ara-tsaina, toy ny hoe verivery saina, very tadidy, « léthargie » na hoe matory be sy maharitra be ;
-Manavy be na mangatsiaka be tsy ara-dalàna ny vatana ;
-Mangovitra be ;
-Miaina haingana be ;
-Midobodoboka haingana be ny fo ;
-Manaintaina mafy sy tsy mahazo aina mihintsy ;
-Mihena ny pipy.
Mila manantona mpitsabo malaky raha mitranga ny iray na ny maromaro amin’ireo fambara ireo. Mety miombo sy miharatsy tampoka anatin’ny fotoana fohy ny « septicémie » ka ilaina fandraisan-tanana haingana indrindra.

Lire la suite

Articles Similaires