Fikarakarana zazakely : Rehefa inona no tokony ovaina ny haben’ny « couche » ?
Miantoka ny « confort » sy ny fiarovana ny zaza mandritra ny andro sy ny alina ny « couche » ampanaovina azy. Mila safidiana tsara ny haben’izy ireny mba hipetraka tsara, tsy hitete, hampivoaka ny maloto, hanery na hanelingelina ny zaza. Ahoana ary no ahafantarana fa tokony efa ovaina ny haben’ny « couche » ampanaovina ny zaza ? Ahoana no hisafidiana ny haben’izany ?
Ireo fambara hamantarana fa efa mila ovaina ny haben’ny « couhe » ampanaovina ny zaza
Maro ireo fambara mila arahi-maso hahafantarana fa efa tokony ovaina ny haben’ny « couche » ampanaovina ny zaza. Anisan’izany ny :
Fisian’ny faritra mena mena manodidina ny fe na ny valahan’ny zaza
Isan’ireo fambara voalohany mampiseho fa efa lasa kely loatra ny haben’ny « couche » ampanaovina ny zaza ny fisian’ny faritra mena manodidina ny feny sy ny valahany rehefa manolo azy. Midika izany fa tery loatra ilay « couche » manery ny hoditry ny zaza. Mety miteraka « irritations » sy tsy mampahazo aina ity farany izany. Mila ampitomboina arak’izany ny haben’ny « couche » mba hampahazo aina tsara azy, indrindra amin’ny fotoana hanaovany « couche » maharitra, toy ny rehefa matory amin’ny alina.
Fisian’ny « fuite » na mitete na dia efa apetraka tsara àry
Ny fisian’ny « fuite », izany hoe mivoaka ivelan’ilay « couche » ny pipy na ny maloton’ny zaza, dia mety midika fa efa tsy mety amin’ny zaza intsony ny haben’ilay taty, indrindra moa raha somary efa mila ezaka vao tafapetraka izany. Rehefa lasa kely loatra ny « couche » dia tsy mitana tsara intsony ny hamandoana. Izany moa dia mety tsy manelingelina sy tsy mampahazo aina ny zaza, indrindra rehefa amin’ny alina.
Fahasarotan’ny fanidiana sy ny fametahana tsara azy
Rehefa lasa kely loatra ho an’ny zaza ny « couche » dia lasa sarotra kokoa ny mametaka azy. Lasa sarotra na tsy mety hidiana intsony ny « attaches » fanidiana azy. Raha hita izany fa mila enjanina hatramin’ny farany ny hidin’ny « couche » na koa mora misokatra dia efa midika izany fa mila soloina « couche » lehibe amin’izay ny ampiasaina amin’ny zaza. Tokony mora hidiana sy mipetaka mora ireo « attaches » mba hitazomana ny « couche » tsy hihetsiketsika.
Ahoana ny fomba hisafidianana ny haben’ny « couche » ?
Marihana moa fa misy karazany maro ny haben’ny « couche » ampiasaina amin’ny zazakely. Miankina amin’ny fitombo sy ny haben’ny zaza no hisafidianana azy ireny. Amin’ny ankapobeny dia miakatra tsikelikely misesy ireo haben’ny « couche » ampiasaina. Misy fotoana nefa mety mitombo be ilay zaza ka mety mandingana habe iray ny « couche » mety aminy. Efa voarakitra eo amin’ny fonon’ny « couche » moa ny lanjan’ny zaza mety amin’ny haben’izany. Ilaina ihany koa etsy andaniny ny mijery fitombon’ny kibo sy ny fen’ny zaza hahafahana mamaritra ny haben’ny « couche » mety aminy.