• Cours de change
  • 5079.25 AR
  • |
  • $4429.3 AR
Copyright Image : © Hebdo
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 14 hatramin'ny 20 jolay 2025

21/07/2025 00:01 © Moov

Atolotra anao ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 14 hatramin'ny alahady 20 jolay.

Fanapoizinana ara-tsakafo # Tafakatra 31 ny isan'ireo maty

Iray volana mahery aty aorian'ilay fankalazana tsingerintaona nahaterahana teny Ambohimalaza, 31 be izao no isan'ireo namoy ny ainy. Tovovavy 17 taona antsoina hoe Nombàna no nodimandry ny alin'ny alakamisy 17 jolay lasa teo. Marihana fa efa lavo ihany koa ny anadahiny noho ity raharaha ity. Nodimandry ny zoma 18 jolay indray ny tovolahy iray 20 taona, antsoina hoe Antsa Liantsoa. Voalaza fa mbola misy marary 9 tsaboina ao amin'ny HJRA, ka ny iray amin'ireo no tena arahi-maso akaiky ny fahasalamany.
Nanambara moa ny Minisitry ny Fitsarana ny sabotsy 19 jolay lasa teo fa hiakatra fampanoavana ny tompom-pety, noho ny fitoriana napetrak'ireo fianakavian'ireo mana-manjo. Efa nisy kosa nefa ny fakana am-bavany ny renin'i Fenohasina. Mbola tsy nisy tohiny kosa nefa ny Fitsarana ireo efa notazomina am-ponja noho ity tranga ity, na dia mitohy aza ny fakana am-bavany azy ireo.

Fampiharana herisetra amin'ny biby # Andian-jatovo nanolana sy nampijaly alika

Alikavavy iray no novonjen'ny Animal Voice Madagascar noho ny ratra sy ny fanolanana nahazo azy. Teny Anjanahary no nalaina io alika io, niaraka tamin'ireo zanany kely. Rehefa nojerena ilay biby dia niharan'ny fanolanana sy fandratrana nandritra ny fotoana maharitra. Feno ratra ny vatany, rava ny tarehiny ary jamba mihitsy ny masony. Nesorina tamin'ny zava-maranitra mantsy ny hoditr'ilay biby.
Efa mandeha ny fanadihadihana ataon'ireo mpitandro ny filaminana. Tsiahivina mantsy fa enjehin'ny lalàna na ny fampijaliana biby, na ny firaisana amin'ny biby (zoophilie). Mampieritreritra ny amin'ny fahasimban'ny hoavin'ny zatovo sy ny tanora ankehitriny izao tranga izao. Heverina mantsy fa ny fandraisana zava-mahadomelina sy fijerevana horonantsary vetaveta tafahoatra no nitarika ireo andian-jatovo nanao izao habibiana izao.

Fanaovana trafikan-jaza # Tsy tafavoaka an'i Madagasikara ilay zaza saika namidy

Zaza notaizaina tamina akany mpitaiza zaza kamboty, vao 8 volana, no nokasaina andian'olon-dratsy namidy tany ivelany. Ny 12 jolay lasa teo, teny amin'ny Seranam-piaramanidina Ivato, vehivavy iray 26 taona no nikasa handray ny sidina ho any Gabon, tamin'ny Kaompania Ethiopians Airlines. Nisandoka ho renin'ny zaza ilay vehivavy, nefa nampiahiahy ny fihetsiny, sady nahatratrarana taratasy hosoka rahateo.
Voalaza moa fa notambazana vola 3 tapitrisa ariary io vehivavy io.
Olona 8 moa no voasambotra tamin'ity raharaha ity, ary mbola mitohy ny fikarohana ireo mety voakasika rehetra. Napetraka any amin'ny akany sahaza azy ilay zaza taorian'ny fizaham-pahasalamana natao azy.

Famahana ny olan'ireo mpiasan'ny JIRAMA # Nisy ny fifampresahana tamin'ny mpitondra

Nihaona sy nifanakalo hevitra tamin'ny sendikan'ny mpiasan’ny JIRAMA ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, ny 17 jolay lasa teo. Nandritra izany fihaonana izany no nanazavana ny drafi-panarenana nofaritan'ny Fitondram-panjakana ho an'ny JIRAMA sy ny sata vaovaon'izany orinasa izany.
Nohamafisin'ny Filohan’ny Repoblika fa orinasam-panjakana 100% ny JIRAMA ary manao ny ezaka rehetra ny Fitondram-panjakana hanarina azy. Tafiditra ao anatin'izany ny fanaraha-maso hentitra ireo fandaniam-poana sy ireo halatra miteraka fatiantoka. Eo ihany koa ny fanafainganana ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin'ny alalan'ny angovo azo havaozina 100MW isan-taona farafahakeliny.

Fanomanana ny fihaonambe SADC # Natolotr'i Chine ireo fiara raitra miisa 16

Noraisina amin'ny fomba ofisialy teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ireo fiara Hongqi, berline de luxe, ny alarobia 16 jolay lasa teo. Ireo fiara ireo no hitondra ireo filoham-panjakan'ireo firenena mpikambana ao amin'ny SADC miisa 16.
Izao fanomezana izao dia vokatry ny fiaraha-miasa mahomby eo amin’ny Repoblika Entim-bahoakan'i Sina sy ny Repoblikan'i Madagasikara. Ireo fiara ireo mantsy dia hanamafy ny lafiny fampitaovana sy andray anjara amin'ny fandraisana mendrika ireo Filoham-panjakana sy Governemanta andrasana eto Madagasikara mandritra izany fihaonana lehibe izany.

Fiompiana trondro ao Ambositra # Nisitraka fampiofanana ny tao Ihandilanana

Sambany tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ihadilanana no nisy ny fampiofanana manokana momba ny fiompiana trondro na dia efa maro ihany aza ny mpiompy trondro ao an-toerana. Tontosa ny 15 jolay lasa teo àry izany hetsika izany.
Tsy fampiofanana ihany no nataon'ireo tompon'andraikitra fa teo ihany koa ny fanentanana ireo mpiompy mba hanangan'izy ireo fikambanana. Ity farany mantsy dia heverina ho fitaovana lehibe hanamafisana ny fiaraha-miasa, ny fifampizarana traikefa, ary ny fitantanana ny loharanon-karena mba hahazoana tombony betsaka kokoa.
Ankoatran’izay dia nisy ihany koa ny fizarana tetiandrom-pamokarana trondro ho an'ny mpiompy izay hahitana fitaovana sy torolàlana manampy amin'ny fanatsarana ny asa ary ny paikady mikasika ny ady amin'ny halatra trondro.

Ady amin'ny Tazomoka # Mitohy ny ezaka efa natao any Ikongo

Manamafy ny ezaka amin’ny ady amin’ny tazomoka ny Ministeran'ny Fahasalamana sy ny BNGRC ary ny Tafika Malagasy. Nisy àry ny fanofanana ireo miaramila misalahy manatanteraka ny asa famafazana ranom-panafody mamono moka na ny "Asperision Intra-Domiciliaire" mitety tanàna. Tanjona amin’izany ny fifanomezan-tanana ny Tompon'andraikitra ara-panjakana rehetra, nizara, nanome fahaiza-manao sy teknika ilaina entina miady amin’ny aretina tazomoka, indrindra amin’ny fomba mahomby sy manaraka fenitra ara-pahasalamana.
Anisan'ny paikady napetraky ny Ministeran’ny Fahasalaman-bahoaka , miaraka amin’ireo ratsa-mangaika rehetra mandrafitra ny Cellule Opérationnelle Ikongo, ho fiarovana ny vahoaka amin’ity aretina ity, indrindra ho fisorana ny fihanaky ny moka. Marihana fa nisitraka fanampiana ara-tsosialy ihany koa ireo mponina ao Ikongo.

Lire la suite

Articles Similaires