Fanapoizinana teny Ambohimalaza : Nidoboka am-ponja i Fenohasina sy ny reniny
Nampidirina am-ponja vonjimaika eny amin’ny Fonjan’Antanimora i Fenohasina sy i Olga (Fafah) reniny.
30 jolay. Vita izao hariva izao ny fanadihadiana an'i Fenohasina sy ny reniny. Nanapa-kevitra ny teo anivon’ny Fitsarana fa tazomina eny am-ponja vonjimaika aloha izy mianaka. Hatreto aloha, olona 5, samy vehivavy avokoa, no nidoboka am-ponja vonjimaika noho ity raharaha Fanapoizinana ara-tsakafo namoizana ain’olona maherin’ny telopolo ity. Hatreto, olona 5 no nidoboka am-ponja vonjimaika tamin'ity raharaha ity : 4 amin'ireo dia mpihavana, raha voalaza fa "mpimasy" kosa ny iray.
Fanohizana ny fanadihadihana
Raha ny fanapahan-kevitry ny mpitsara mpanao famotorana, arahi-maso ara-pitsarana (Sous surveillance judiciaire) i Fenohasina, fa ilay reniny no midoboka vonjimaika eny am-ponja (Sous mandat de dépôt). Nanao "opposition" nefa ny Fampanoavana, ka namoaka fanapahan-kevitra ny hampiditra vonjimaika am-ponja an'i Fenohasina ihany koa ny Chambre de Détention.
Mbola tsy nisy fanamelohana an’izy 5 mirahavavy hatreto. Mbola mitohy mantsy ny fanadihadihana, ka rehefa afapo amin’ny toro rehetra tadiaviny ireo tompon’andraikitra dia aroso ny lanonam-pitsarana, eo anatrehan'ny Fitsarana Ady heloka bevava. Rehefa vita izany vao ho fantatra ny sazy ho azon’ireo voarohirohy sy voapanga. Nanamafy ny Tonia mpampanoa lalana fa ho atao ampahibemaso ny fitsarana ireo olona rehetra voakasika amin’ity raharaha ity.
Raha tsiahivina, nisy ny fitoriana faobe napetrak’ireo fianakaviana nanana havana na zanaka namoy ny ainy. Ny tompom-pety sy ny reniny no notorian’izy ireo, ka tsy afa-bela na dia efa nisy aza ny ampamoaka mikasika ilay tompon-kevitra tamin’ny Fanapoizinana.