• Cours de change
  • 5091.92 AR
  • |
  • $4456.06 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Volana Aogositra 2025 : Mihena 170 hatramin’ny 200 ariary ny vidin-tsolika

01/08/2025 07:17 © Moov

Vaovao tsara ho an’ny rehetra. Midina ny vidin’ny Essence sy Gasoil, hatramin’ny Pétrole aza, ho an’ity volana Aogositra 2025 ity.

170 ariary hatramin’ny 200 ariary ny fihenana eo amin’ny vidin-tsolika. Mihena araka izany ny vola mivoaka eo amin’ireo mpampiasa fitaovam-pitaterana manokana sy ireo mpisehatra amin’ny fitaterana. Ny alin'ny 31 jolay nifoha ny 1 aogositra moa no nanova ireo vidin-tsolika eny amin'ny solaitrabeny avy ireo tobin-tsolika.

Fidinana mifanaraka amin'ny filàna

Hatramin'ny volana jolay no efa nisy fihenana ny vidin-tsolika eto Madagasikara. Voakasiky ny fidinana avokoa na ny Essence Sans-Plomb 95, na ny Gasoil, na ny Pétrole. Mandritra ity volana aogositra ity, jifaina 5 120 Ariary ny litatry ny Lasantsy raha toa ka 4 320 Ariary teo aloha. 200 ariary na 3,76% izany ny fidinana. Ny Gasoil kosa, 4,08% ny fidinany raha mitaha amin'ny vidiny nialoha ny fanitsiana na 200 ariary ihany aza no mihena. 4 700 ariary ny litatra raha 4 900 ariary izany teo aloha. NY Pétrole na solika fandrehitra kosa dia nahitana fidinany 170 ariary, izany hoe lasa 3 210 ariary raha 3 380 ariary teo aloha.
Ho an'ireo tantsaha mipetraka ivelan'ireo tanàn-dehibe manokana, antenain'izy ireo ny hahatongavan'ny vidin'ny Pétrole ho tahaka ny tamin'ny volana Janoary 2025, izany hoe 2 430 Ariary ny litatra. Nisy fiakarany hatrany 200 ariary hatrany mantsy ny vidiny hatramin'ny volana jona. Tsara ny manamarika fa mitombo mihoatra ny eny amin'ny Tobin-tsolika ny vidin'ny Solika Fandrehitra any Ambanivolo lavitra any satria olon-tsotra mbola maka tombony no mivarotra azy. Raha 3 210 ariary izany ny litatra eny amin'ny tobin-tsolika, mety tafakatra hatramin'ny 4 000 ariary eny amin'ireo mpivarotra enta-madinika.

Fialan-tsasatra

Tsy tokony ahiana firy ny fiakaran'ny saran-dalana mihazo ireo faritra ivelan'Antananarivo raha ny vidin-tsolika no jerena. Mitaraina mafy nefa ireo mpitatitra zotra nasionaly noho ny faharatsian'ireo lalam-pirenena. Mitombo be araka izany ny vola lanin'izy ireo amin'ny fikojakojana ny fiara. Tsy adino ny fitomboan'ny faharetan'ny dia, izay miteraka fatiantoka. "Mila 14 na 15 ora ny lalana Antananarivo Mahajanga raha tokony ho vita adiny 10 farafahabetsany", hoy ny mpamily iray.

Efa azo ioriranana tokoa ny vidin-tsolika amin'ny ankapobeny, saingy mangataka ny fanamboaran-dalana manerana ny Nosy ireo mpitatitra, indrindra ireo lalam-pirenena be mpivezivezy amin'izao fotoam-pialan-tsasatra izao.


Copyright Image : © OMH

Lire la suite

Articles Similaires