• Cours de change
  • 5122.9 AR
  • |
  • $4432.9 AR
Copyright Image : © Positivr
Image
Fahalalana Ankapobeny

Voatavo : akora natoraly azo hikolokoloana ny hodi-tava

03/08/2025 21:11 © Moov.Mg

Ankoatra ny maha sakafo be otrikaina azy dia akora natoraly azo ampiasaina amin’ny andavanandro hikarakarana ny tarehy ihany koa ny voatavo. Manankarena vitamina, « antioxydants » sy singa maro ilain’ny hoditra izy ireny. Andeha àry ho fantarina eto ireo vokatsoa azo avy amin’ny fanaovana « masque » voatavo hikoloana ny hodi-tava.

Ireo vokatsoa azo amin’ny fanaovana « masque » tarehy vita amin’ny voatavo

Na atao sakafo na ahosotra amin’ny tarehy ny voatavo dia maro ireo tombontsoa azo avy aminy. Anisan’ireo vokatsoa azo avy amin’ny fanosorana « masque » voatavo eo amin’ny hodi-tava ary ny :
-Fiasany « anti-âge ». Mitahiry vitamina C sy « bêta-carotène » izay avadiky ny vatana ho vitamina A ny voatavo. Ireo « antioxydants » matanjaka ireo dia manampy amin’ny fiadiana amin’ireo « radicaux libres » izay isany mahantitra aloha loatra ny hoditra. Mandrisika ny famokarana ny « collagène » ihany koa izy ireo ka manampy amin’ny « élasticité » sy ny « fermeté » ny hodi-tava.
-Fanadiovana amin’ny fomba malefaka ny hoditra. Ahitana « enzymes » natoraly sy « acides alpha-hydroxylés » izay miasa amin’ny fanadiovana malefaka ny hoditra ny voatavo. Manampy amin’ny fanesorana ireo sela maty eo amin’ny hoditra, fanalana ireo loto manentsina ny mason-koditra ary fanatsarana ny « texture » ny hoditra ihany koa ireo singa iray. Lasa malama sy mazava kokoa ny hodi-tava.
-Fanamandinana sy fampitoniana ny hoditra. Rano no mandrafitra ny 90% ny voatavo ka izay no mahatonga azy ho akora natoraly mandaitra amin’ny fanamandinana ny hoditra. Ireo vitamina A sy E ao aminy dia manampy ny hoditra hitazona ny fahamandinany. Ankoatra izay dia manana fiasa mampitony ihany koa ity legioma ity ka afaka manampy amin’ny fanalefahana ny hoditra « irritée » sy misy tasy mena.

Fomba fanamboarana « masque » tarehy vita amin’ny voatavo

Maro ireo karazana « recettes » fanamboarana « masque » tarehy vita amin’ny voatavo. Miankina amin’ny vokatra endrasana aminy moa ny fikarakarana azy amin’ny ankapobeny. Ny fomba fanaovana « masque hydratant » na hoe manamandina ny hodi-tava vita amin’ny voatavo ary ity zaraina ity.
Ampangotrahana ny silaka voatavo iray efa novoasana mba halemy. Rehefa malemy dia potserina tsara amin’ny sotrorovitra na amin’ny « mixeur ». Afangaro anaty lovia jobo kely ny voatavo 2 sotro fihinanana sy ny tantely 1 sotrokely ary ny yaourt nature 1 sotrokely. Aroharoana tsara hifangaro.
Mikasika ny fampiasana azy. Diovina tsara ny tarehy sy ny tenda. Ahosotra ilay « masque » voatavo. Tsy atao tratra ny manodidina maso sy ny hodi-maso. Avela hilona mandritra ny 10 hatramin’ny 15 minitra. Kobanina tsara amin’ny rano matimaty. Petapetahana moramora amin’ny servieta ny tarehy ho maina. Atao indray mandeha na indroa isan-kerinandro raha toa ka tsapa fa makiana ny hodi-tava.

Lire la suite

Articles Similaires