Tarehy mangirana : inona ny vahaolana ?
Toe-javatra iray isan’ny mahasorena sy tsy mampahazo aina ny tarehy mangirana. Misy toy ny menaka tsy mety afaka eo amin’ny hodi-tava ka mahatonga azy miendrika toy ny mangirana lava. Inona ary ny vahaolana natoraly hikarakarana ny tarehy mangirana lava ?
Ny antony mahatonga ny tarehy mangirana
Ny olona manana tarehy mangirana dia toy ny mitera-manaka sy mangirangirana foana ny tarehiny. Ny famokaran’ny hoditra « sébum » be loatra moa no mahatonga izany. Maro ireo antony mety mahatonga ny hoditra hamokatra « sébum » loatra, mihoatra ny ara-dalàna. Anisan’izany ny :
-Fanadiovana matetika loatra ny tarehy amin’ny « produits décapants » ka mahatonga ny hoditra hiaro-tena ;
-Tsy fahampiana rano (hydratation) ka hanonerana ilay fahamainana dia lasa mamokatra « sébum » betsaka ny hoditra ;
-Rarintsaina, ny loto eny amin’ny tontolo iainana, ny hafanana… izay mandratra ny hoditra ;
-Fihinanana sakafo matsiro loatra ;
-Tsy fahampiana torimaso ;
-Fampiasana vokatra fikarakarana tarehy tsy mifanaraka amin’ny karazan-koditry ny tena.
Inona ary ny fikafika natoraly hikarakarana ny tarehy mangirana ?
Ny « masque argile blanche » no vahaolana mandaitra hikarakarana ny tarehy mangirana na mora mitera-menaka. Ity karazana tanimanga ity dia manadio moramora ny hodi-tava, manakatona ny mason-koditra ary mampisinda ny endrika mangiran’ny tarehy.
Tsotra ny fikarakarana sy ny fampiasana azy. Atao anaty lovia jobo kely ny « argile blanche » vovony 2 sotro fihinanana sy ny dite « sauge » matimaty 3 sotro fihinanana. Azo asiana « eau florale de lavande » 1 sotrokely raha tiana fa tsy voatery. Afangaro tsara mba hahazo paty somary malefaka.
Io paty io no ahosotra eo amin’ny tarehy efa avy nodiovina tsara. Tsy osorana ny manodidina ny maso sy ny hodi-maso. Avela hijanona eo mandritra ny 10 hatramin’ny 12 minitra. Kobanina tsara amin’ny rano mangatsiaka. Atao indroa isan-kerinandro mba hahazoana vokatra tsara malaky kokoa.