Sora-piankohonana : Nomena fiofanana ireo tomponandraikitra 81 isa ao amin’ny Faritra Betsiboka
Tomponandraikitra miisa 81, misahana ny fiankohonana eny anivon’ny Kaominina sy ny Distrika, no nisitraka fiofanana, tany amin’ny Faritra Betsiboka. Navoitra tamin’izany ny maha-zava-dehibe sy saro-pady ny fiankohonana.
Taratasy manamarina ny maha-olompirenena
Mbola maro ny Malagasy ankehitriny no misedra olana amin’ny fananana taratasy manamarina ny maha-olompirenena azy. Isan-karazany ihany koa ny antony, toy ny fahalaviran’ny biraom-panjakana miandraikitra izany, ny tsy fahafantarana ny mombamomba ny fiankohonana sy ireo dingana atao mba hahazoana izany, ny tsy fahatsapan’ireo ray aman-dreny ny maha-zava-manandanja ny fananan’ny ankizy kôpia nahaterahana. Misy amin’ireo ray aman-dreny no manao ho zava-dehibe kokoa ny bokin’omby noho ny fanamboarana ny kôpia nahaterahan’ny zaza, hoy ny tale jeneralin’ny INDDL, Rakotojohary Tovo.
Manoloana izany olana izany dia nametraka paikady hanamorana ny fahazoana kopian’ny sora-piankohonana ny Fanjakana Malagasy, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany (MDAT), miaraka amin’ny fanohanan’ireo mpiara-miombona antoka, toy ny Vondron’ireo Firenena miteny frantsay (OIF) sy ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara.
Fanamafisana ny fahaiza-manao
Mba ho fanatrarana izany tanjona izany indrindra dia manohy ny fampiofanana ireo tomponandraikitra misahana ny fiankohonana manerana an’i Madagasikara, ny Ivon-toerana Nasiônaly momba ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fampandrosoana Ifotony (INDDL) eo anivon’ny MDAT. I Betsiboka no Faritra faha-4 nanatanterahana izany, ny 19 hatramin’ny 21 aogositra 2025, tao Maevatanana. Tomponandraikitra misahana ny fiankohonana avy amin’ny Distrika telo, dia i Tsaratanàna, Maevatanàna ary Kandreho no nisitraka ny fampiofanana, izay niompana tamin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo mpisehatra eny ifotony momba ny sora-piankohonana.
Lohahevitra maro no voaresaka tao anatin’ny fampiofanana, toy ny fandraketana ao anaty sora-piankohonana ireo dingam-piainana toy ny fahaterahana, fanambadiana, fahafatesana sy fananganan-jaza. Isan’ny nampahafantarina ireo mpiofana, ankoatra izay, ny momba ny fiarovana ireo mombamomba manokan’ny olompirenena. Araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny INDDL dia saro-pady ny fiankohonana. Izany indrindra no antony anamafisana ny fahaiza-manaon'ireo mpisehatra eny ifotony momba ny sora-piankohonana. Amin’ity taona ity dia Faritra 7 eto Madagasikara no kendrena hisitraka izany fiofanana izany. Tanjona ny hahafahan’ny tsirairay manana taratasy manamarina ny maha-olompirenena, azo antoka, amin’ny taona 2030.