• Cours de change
  • 5174.4 AR
  • |
  • $4464.88 AR
Copyright Image : © Minjus
Image
Vaovao

Filàn-kevitra Ambonin’ny Mpitsara : Zava-dehibe ny fahaleovan-tenan’ny Fitsarana, hoy ny filoha Rajoelina

08/09/2025 16:48 © Moov.Mg

Nisy fihaonana androany 8 septambra 2025, teo amin’ny filoha Andry Rajoelina sy ireo mpikambana eo anivon’ny Filàn-kevitra Ambonin’ny Mpitsara (CSM). Fotoana nanamafisan’ny filohan’ny Repoblika ny maha-zava-dehibe ny fahaleovan-tenan’ny Fitsarana ny fihaonana androany.

Fahefam-pitsarana mahomby

Nampahatsiahivin’ny filoha Andry Rajoelina, nandritra ny fihaonany tamin’ireo mpikamban’ny CSM androany, ireo andraikitra sahanin’ity rafitra ity, mba hananana fahefam-pitsarana mahomby. Ny CSM, hoy izy, no antoky ny Fitsarana mahaleo tena. Anjara andraikiny, voafaritry ny lalàna, ny fitandroana sy fanajana ireo fepetra voalazan’ny sata mifehy ny Mpitsara. Ny CSM no manapa-kevitra mikasika ny fanendrena, ny fisondrotana, ary ny famindran-toerana ireo Mpitsara rehetra manerana an’i Madagasikara. Noho ireo andraikitra miandry azy ireo dia « arofanina afaka manitsy, ianteherana amin’ny fametrahana ny fitsarana madio sy atokisan’ny vahoaka, miantoka ny fampiharana ny fitsipika momba ny fitondran-tenan’ny mpitsara sy ny fifehezan-dalàna mifehy azy » ny CSM, hoy ny filohan’ny Repoblika. Tsiahivina moa fa izy rahateo no filoha fara-tampon’ny Filàn-kevitra Ambonin’ny Mpitsara.

Fitsarana araka ny rariny

Manoloana ireo tranga maharary ny vahoaka izay entina eny anivon’ny fitsarana, toy ny ady tany, araka ny ohatra nomen’ny filoha, dia nanome toromarika ity farany mba ho araka ny rariny sy ny hitsiny ny famoahana didy ataon’ny Mpitsara, ho fampandalana ny marina, hoy izy. Mila fitsarana madio, mangarahara, sy atokisana ny vahoaka, araka ny nantitranteriny : « Antoka omena ny olom-pirenena tsirairay avy ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana, mba ho voaaro ny zony ary ho voavaha am-pahamarinana ny raharaha izay sedrain’izy ireo ».

Nilaza moa ny filoha Andry Rajoelina, fa raha ny tenany manokana, dia tsy mitsabaka amin’ny raharaham-pitsarana, mba hitandroana izay fahaleovan-tenam-pitsarana izay. Mahalana no misy dinika ifanaovana amin’ny minisitry ny Fitsarana, araka ny fanazavany, rehefa misy raharaha mavaivay eto amin’ny firenena.

Nanatrika ity fihaonana androany ity ny minisitry ny fitsarana sy ireo mpikambana avy eo anivon’ny CSM, notronin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika.

Lire la suite

Articles Similaires