Fikafika hanesorana ny tasina lokomena eo amin’ny akanjo
Toe-javatra mety mitranga ny hoe tratry ny tasina lokomena ny akanjo. Matetika dia sarotra alàna io tasy io ka tsy afaky ny fanasana ny lamba fotsiny ihany. Ireto ary misy torohevitra maromaro manampy mba hanesorana ny tasina lokomena eo amin’ny akanjo.
Fanesorana tasina lokomena eo amin’ny akanjo : ireo tsara tandremana
Alohan’ny hizarana ireo fikafika hanesorana ny tasina lokomena eo amin’ny akanjo dia mila fantarina ireo fitandremana atao alohan’ny hirosoana amin’izany :
-Tsy miandriandry fa vao hita hoe tratry ny tasina lokomena ny akanjo dia ezahana esorina avy hatrany izany. Raha miandry ela dia vao maika hiraikitra ilay tasy ;
-Tsy mampiasa rano mangatsiaka satria tsy mandaitra tsara amin’ny fanesorana ny tasy. Tsy atao rano mafana ihany koa satria mety vao maika mampiraikitra izany. Rano matimaty no ahazoana vokatra tsara ;
-Tsy azo kosehana amin’izao ilay tasina lokomena mba hanesorana azy fa vao maika mety hampihanaka azy izany.
« Démaquillant », vahaolana mandaitra hanesorana tasina lokomena
Ny « démaquillant » moa no vokatra manokana fanesorana ny lokomena sy ny manjamaso eo amin’ny tarehy. Azo ampiasana hanalana ny tasina lokomena eo amin’ny akanjo ihany koa izy io. Tsara raha « démaquillant » malefaka sy tsy matavy no ampiasaina, toy ny « eau micellaire » ohatra. Asiana azy io eo amin’ilay tasy ary petapetahana moramora mba hiditra anatin’ilay lamba. Avela hilona 15 minitra avy eo kobanina amin’ny rano matimaty. Rehefa afaka ny tasy dia sasana toy ny mahazatra ilay akanjo.
« Liquide vaisselle », malefaka sy mandaitra
Akora isan’ny mandaitra indrindra amin’ny fanesorana tasy matavy toy ny lokomena ny « liquide vaisselle ». Tsotra ny fomba fampiasana azy. Asiana « liquide vaisselle » kely, tsy miloko, eo amin’ilay tasina lokomena amin’ny akanjo. Avela hiasa mandritra ny minitra vitsy. Kosehana moramora avy eo kobanina amin’ny rano matimaty. Raha manana « machine à laver » dia sasana ao avy hatrany.
« Dentifrice », manampy amin’ny fanesorana tasy amin’ny lamba
Akora iray tsy ampoizina nefa dia tena mandaitra amin’ny fanesorana tasina lokomena amin’ny akanjo ihany koa ny « dentifrice ». Asiana « dentifrice » kely eo amin’ny lamba madio iray. Io lamba io no hikosehana moramora ilay tasy. Raha ilaina dia azo lemana kely ary tohizana kosehana mandrapialan’ilay tasina lokomena. Rehefa vita izay dia sasana amin’ny rano matimaty ilay akanjo.