Ihorombe : Hiaraka hamelona ny Dina ny tompon’andraiki-panjakana sy ireo mponina eny ifotony
Any amin’ny faritra Ihorombe ny Tetikasa Landja amin’izao fotoana izao, mikaroka hevitra hamelomana indray ny Dina. Misy ny atrikasa mikasika izany, tanterahina any an-toerana amin’izao fotoana izao.
Mpandray anjara marolafy
Isan’ny toerana efa nametraka ny Dina entina handaminana fiaraha-monina sy hametrahana fandriam-pahalemana ity faritra ity. Saika tsy voafehy hatrany anefa ny fandikana izany ka niteraka olana samihafa teo amin’io fiaraha-monina io. Mba hahafahana mamerina ity fomba fifampitondrana ity indray araka izany dia samy nandray anjara tamin’ny atrikasa avokoa ireo sehetra marolafy misy ao anatin’ny faritra. Hita tamin’izany ireo tompon’andraiki-panjakana samihafa, ny avy amin’ny fitsarana, ny parlemantera, ny mpitandro filaminana, ny mpitondra nentim-paharazana ary ireo fiarahamonim-pirenena sy ireo olon-tsotra. Hiara-hieritreritra ny famelomana indray ny Dina isam-paritra izy ireo.
Isan’ny nanamarika ny atrikasa ny fandraisana anjaran’ny Governoran’ny Faritra Ihorombe, izay nanamafy nandritra ny lahateniny fa « Fanabeazam-pirenena no zava-dehibe indrindra amin’ny Dina, fitaovana ho an’ny mponina eo an-toerana handaminana ny andavanandrom-piainan’izy ireo ary fomba fanao afaka hampitaina hatrany amin’ny taranaka rehetra, izy io », hoy i Rakotondrasoa Annie Franckline, Governora. Araka izany, samy resy lahatra ny rehetra fa tsy famaizana ny Dina fa fitaovana entina hanabeazana ihany koa.
Tombony ho an’ny vehivavy sy ny marefo
Nisedra olana samihafa ny fanatanterahana ny Dina tao amin’io faritra io. Haverina indray izy amin’izao fotoana izao. Ity atrikasa ity dia entina hijerena ny fepetra tokony hapetraka mba hanatanterahan’ny tsirairay azy. Tanjona ny hametrahana azy maharitra. Natao hametrahana rafitra hiantoka ny fampiharana azy, mifanaraka amin’ny lalàna ary amin’ny fanajana manokana ny vehivavy sy ireo olona marefo, ihany koa ny atrikasa.
Nanampy betsaka tamin'ny fametrahana vina hiraisana izany fanoloran-tenan'ireo rehetra voakasika ireo izany. Io vina io dia ny hoe hahatonga ny Dina ho fitaovana fitsaram-bahoaka azo itokisana, manaja ny zon'olombelona, ary mifameno amin'ny rafi-pitsarana ofisialy. Araka izany dingana iray lehibe mankany amin'ny toetry ny fandriam-pahalemana tsara sy maharitra kokoa ao amin'ny faritra Ihorombe, ny fisian’ity atrikasa ity.