Jean Piso : Mampangorintsina ny fiangaliany ny tsapiky, amin’ny angorodao
Tsy misy tsy mahalala angamba ilay feon-kira mitondra ny lohateny hoe : « Andranokototo ». Na tsy mahalala ny lohateniny aza, dia efa saika nandre izany feon-kira izany avokoa, izay ampiasain’ny onjam-peo maro ho feon-kira famantarana fandaharana. I Jean Piso no namorona izany feon-kira izany, izay fanta-daza maneran-tany amin’ny fitendrena angorodao.
Tanàna iray any Betioky Atsimo, any amin’iny faritra Atsimo Andrefana iny, i Andranokototo. Avy any no fiavian’i Jean Rebily, izay fantatra kokoa amin’ny anarana hoe : Jean Piso. Ny fitendrena angorodao no mampalaza azy manerana izao tontolo izao.
Maty ka velona indray !
Jean Piso, « Toa hafahafa kely ilay anarana », hoy izy, raha hanomboka hanazava ny fiavian’io anarana nosafidiany ho entina an-tsehatra io. « Tamin’izaho mbola mpianatra teny amin’ny ambaratonga fototra dia raikitra ny totohondry, rehefa misy ankizy miantso ahy hoe : « Jean Piso », sady arahin’izy ireo feon-tsaka », hoy izy nitsiahy ny fahiny. Araka ny fanazavan’ny reniny taminy anefa, dia nisy tantara ilay anarana : « Tamin’izaho vao teraka dia noheverina ho efa maty. Niezaka namelona ahy ny rasazy, fa sady tsy nihetsika aho no efa mangana. Nolazaina fa tsy velona aho. Ny zazakely tsy azo moa, tsy atao anaty vata, fa fonosina lamba fotsiny rehefa handeha ho « ariana ». Tany ambanivohitr’i Ejeda no saika hanatanterahana ny fandevenana ». Teny an-dalana handevina anefa, toa naheno feom-piso ny olona, amin’ny toerana tsy tokony hisy saka mihitsy. Nahatsikaritra ilay nitondra ilay zaza, fa toa nihetsika ity noheverina ho efa maty. Rehefa noesorina ny lamba, dia hay ilay zaza nitomany no toa namoaka feom-piso ! Nanomboka teo no nanjary anarana niantsoana an’i Jean Rebily ny hoe : « Piso ». « Rehefa nianatra tao amin’ny lisea Laurent Botokeky tao Toliara aho dia tsy sahy niady tamin’ny mpiara-mianatra intsony, rehefa miantso ahy « Jean Piso » izy ireo, satria toa goavana be daholo izy ireo noho izaho. Nanomboka teo no nanekeko ny hitondra io anarana io », hoy ny fitantarany.
Mpitendry angorodao ikoizana
Rehefa nitendry niaraka tamin’ny tarika Angeline sy Jacqueline i Jean Piso, taty aoriana, dia efa io anarana io no nentiny sy nahafantarana azy. Tao amin’ny tarika Ny Malagasy Orkestra ihany koa no tena nianohany ny filalaovana mozika. Ankoatra izay dia niara-niasa tamin’ny tarika maro, teto Madagasikara sy tany am-pitan-dranaomasina izy. Ny gadona « tsapiky » no tena voiziny, ka mangorintsina mihitsy rehefa mihaino ny feon-kira tendreny. Milalao karazan-kira maro ihany koa anefa i Jean Piso. Ny fitendrena angorodao no ahafantaran’ny maro azy, fa mitendry vatamaroafitsoka ihany koa izy, indrindra rehefa any am-piangonana. Eo ihany koa ny gitara klasika sy ny gitara basy.
Iray amin’ireo mpanakanto mandray anjara amin’ny andiany faha-19 amin’ny Festival Angaredona i Jean Piso amin’izao fotoana izao. Eny Ambohimanga Rova no anatanterahana izany, nanomboka ny 13 septambra 2025 hatramin’ny 21 septambra izao.
Manabe mpanakanto
Efa maherin’ny 60 taona no nilalaovan’i Jean Piso mozika. Mbola kilonga kely izy no efa nitendry angorodao. Tamin’izy nanodidina ny 10 taona teo ho eo, dia efa nitendry teo anatrehan’ny filoha Philibert Tsiranana. « Napetraka ambony seza aho dia nitendry. Faly ny filoha ka nanome ahy vola 3 000 fmg tamin’izany fotoana. Nanontaniany ahy ny handaniako ilay vola. Amin’ny maha-zaza moa dia novaliako fa hividianako bokoboko sy kida », hoy ny fitantarany. Nilaza taminy anefa ny filoha Philibert Tsiranana fa zavatra mifandraika amin’ny fianarana no tokony handaniany ilay vola. « Novidiako daholo ny rehetra, nefa mbola nisy fameriny nividianako kida sy mofo », hoy izy nihomehy, nahatsiaro izany tantara fahiny izany.
Ankehitriny, ankoatra ny filalaovana mozika, dia miezaka manabe ireo tanora mpikanto ao Toliara ihany koa i Jean Rebily. Misy 15 isa eo ho eo izy ireo. Isan’ny hafatra ampitainy amin’ireo tanora beaziny ireo ny hoe : ataovy eo ambanin’ny fitiavana mozika ny fitiavana vola. Hafatra matetika ampitainy ihany koa ny hoe : mila manana fiizina (identité) ao anatin’ny mozika, mila miketrika zavatra mampiavaka anao amin’ny hafa. Misy boky, tantara an-tsary mitantara ny fiainan’i Jean Piso, nosoratan’i Geneviève Marot. « Sous le Tamarinier de Betioky » no lohateniny. Midika izany fa mpanakanto manana ny toerany tokoa i Jean Piso, na eto Madagasikara, na any ivelany.
Ary fantatrao ve, fa mpihavana i Jean Piso sy i Black Nadia ?...