• Cours de change
  • 5163.73 AR
  • |
  • $4460.07 AR
Copyright Image : © La Dépêche
Image
Reny&Zaza

Fitondrana vohoka : mahazo misotro kafe ve ny bevohoka ?

24/09/2025 11:28 © Moov.Mg

Fanontaniana isan’ny manitikitika ny sain’ny maro ny mikasika ny fisotroana kafe mandritra ny fitondrana vohoka. Amin’ny ankapobeny dia afaka misotro kafe ny bevohoka, nefa kosa mila ferana tsara ny fatran’izany. Mety hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny zaza ao am-bohoka tokoa mantsy izy io raha be loatra. Araho eto ary ny tsara fantatra mikasika izany.

Afaka misotro kafe ny bevohoka fa amin’ny fatrany voafetra

Ho an’ireo vehivavy zatra misotro kafe dia mety ho sarotra ny mifady tampoka azy io mandritra ny fitondrana vohoka. Raha ny tena tsara moa dia tsy misotro kafe mihintsy ny bevohoka. Tsy voatery ihany koa nefa fa afaka misotro ihany fa amin’ny fatrany voafetra. Araka ny vokam-pikarohana nataon’ireo manam-pahaizana dia tsy tokony mihoatra ny 1 kaopy isan’andro ny kafe sotroina mandritra ny fitondrana vohoka. Ny rano kosa dia tsy azo atao latsaky ny 1,5 litatra isan’andro.

Ireo mety ho vokadratsin’ny fisotroana kafe mandritra ny fitondrana vohoka

Ny « caféine » dia mampientana ny « système nerveux » ny bevohoka sy ny zaza ao am-bohoka. Izany dia mety mahatonga fahakizitinana, hafainganan’ny fitempon’ny fo, aretina andoha, fikorontanan’ny torimaso… Mandritra ny telovolana voalohan’ny vohoka moa dia mety vao maika hampihombo ireo « maux de grossesse » ny fisotroana kafe.
Misy vokam-pikarohana norvezianina natao teo amin’ny bevohoka 60 000 no nampiseho fa mety miteraka fahataran’ny fitombon’ny zaza ao an-kibo ny « caféine ». Ambony kokoa ny « risques » hiterahana zaza kely lanja eo amin’ny bevohoka misotro kafe 1 hatramin’ny 2 ( 200 mg hatramin’ny 300 mg) kaopy isan’andro raha oharina amin’ireo misotro 50 mg isan’andro.
Misy ihany koa etsy andaniny ireo vokam-pikarohana manambara fa mety misy fiantraikany eo amin’ny fitomboan’ny atidohan’ny zaza ao am-bohoka ny fisotroana kafe mandritra ny fitondrana vohoka. Raha be loatra ny kafe sotroin’ny bevohoka isan’andro dia mety mitarika fahafahan-jaza na koa fiterahana tsy tonga volana.

Lire la suite

Articles Similaires