Fifidianana Filoham-panjakana : Mbola mila fanamboarana ny lisi-pifidianana, hoy ny Kly Randrianirina Michael
Hanatanteraka ny fianianany, amin’ny maha-filoham-panjakana azy, ny Kolonely Randrianirina Michael, rahampitso zoma 17 ôktôbra 2025. Aorian’izay no hananganana ny governemanta, izay horafetin’ny olona sivily sy miaramila.
Fianianana eny amin’ny HCC
Nihaona tamin’ny mpanao gazety, teny amin’ny CAPSAT (Corps d'Armée des Personnels et des Services Administratifs et Techniques) Soanierana, androany 16 ôktôbra 2025, ny Kolonely Randrianirina Michael. Nandritra izany no niresahany momba ny fianianana hotanterahiny amin’ny maha-filoham-panjakana azy, rahampitso 17 ôktôbra 2025, eny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) eny Ambohidahy.
Isan’ny manitikitika ny sain’ny maro ny momba izay ho praiminisitra, ao anatin’izao fitantanana vaovao izao. Araka ny nambaran’ny Kolonely Randrianirina Michael, dia eo am-panatanterahana ny fakan-kevitra amin’ireo rehetra voakasik’izany ankehitriny ny fiadidiana iombonanana ho amin’ny fanavaozana, mba hahafahana mamoaka ny anaran’izay ho praiminisitra eken’ny rehetra. Aorian’ny fianianany rahampitso no hivoaka izany anarana izany, izay hitohy amin’ny fanendrena ireo ho mpikamban’ny governemanta. Araka ny efa nambarany dia hisy sivily ary hisy miaramila ihany koa, no handrafitra izany.
Mila fanavaozana ny CENI
Mbola mampiady hevitra ihany koa ny tena zava-misy marina eto Madagasikara, izay sokajian’ny sasany ho fanonganam-panjakana nataon’ireo miaramila. Namaly izany ny Kolonely Randrianirina Michael androany. Tsotra ny heviny : tsy nisy fanonganam-panjakana izany teto, fa nisy ny fanapahan-kevitra navoakan’ny HCC, izay ara-dalàna. Araka izany, ao anatin’ny rafitra manaraka ny lalàna ny eto Madagasikara, hoy izy.
Ity rafitra misy ankehitriny ity moa no hikarakara ny fifidianana, hiantoka ny fifandimbiasam-pahefana ara-demôkratika eto Madagasikara. Raha ny fanapahan-kevitra navoakan’ny HCC laharana faha-10-HCC/D3, tamin’ny 14 ôktôbra 2025, dia tokony ho ao anatin’ny 30 hatramin’ny 60 andro no hanatanterahana ny fifidianana. Tsy ho tontosa anefa izany, raha ny zava-misy ankehitriny, araka ny fanazavan’ny Kolonely Randrianirina Michael. Niaraka nimenomenona momba io CENI (Vaomieram-pirenena Mahaleo tena misahana ny fifidianana) amin’izao fotoana izao io isika rehetra, hoy izy, ka tsy io CENI io mihitsy no hikarakara ny fifidianana. Etsy an-daniny, mbola mila fanamboarana ihany koa ny lisi-pifidianana. Tsy tokony ho maika fotsiny, araka izany, satria fifidianana eken’ny rehetra no tanjona, hoy ity filoham-panjakana vaovao vao hanatanteraka ny fianianany ity.