• Cours de change
  • 5187.29 AR
  • |
  • $4512.7 AR
Copyright Image : © Fmdos
Image
Fahasalamana&Sakafo

Manga : Mety hankarary kibo, raha lasa be loatra

22/10/2025 09:21 © Moov

Mihabetsaka ny manga eny an-tsena. Efa latsaka rahateo ny orana ka tsy misy atahorana intsony ny fihinanana azy. Tahaka ny sakafo rehetra nefa, mila fandanjalanjana ny fihinanana azy mba hitandrovana ny fahasalamana.

Ny vokatsoan'ny manga

Voankazo tropikaly tsara tsiro sady mahasoa ny fahasalamana ny manga. Mananarena kaloria, fibra, siramamy sy karazana otrikaina isan-karazany ny manga : Proteina, vitamina B6/ B9/C/K sy potasioma.
Noho izany indrindra, ireto misy ampahany amin'ny zavatsoa entiny :
-Manamora ny fandevonan-kanina ;
-Mampihena ny "glucose" ao anaty rà, indrindra ho an'ireo olona voan'ny diabeta ;
-Misoroka ny fidinana/ fiakaran'ny tosidrà sy ny aretin'ny fo ;
-Mahamafy taolana ;
-Miaro ny maso amin'ny "rayons UV";
-Misoroka ny tsy fahampian-dra ;
-Misoroka ny fahasemporana ;
-Mahatsara hoditra ;
-Mampitombo ny hery fiarovana.
Azo atao lasary marikivikivy, ranom-boankazo na kaonfitira ny manga. Rehefa masaka tsara io voankazo io dia mamy tsara, tsy mila siramamy akory.

Ny fihinanana ny manga

Mankarary kibo ny manga raha hanina be loatra na tsy voasasa tsara. Noho izany, tokony sasana tsara io voankazo io vao hanina sy karakaraina. Tsy adino ny manasa tanana tsara mialohan'ny hitetehana manga.
Manampy amin'ny fitsaboana ny fitohanana (constipation) ny manga, izany hoe tafiditra amin'ny sokajin'ny "laxatif". Raha lasa be loatra nefa dia mampivalana. Izany indrindra no antony hihinanan'ireo te hihen-danja an'io voankazo io. Tsy mahasoa nefa ny aretim-pivalanana raha miombo, satria mety hiafara amin'ny fahafatesana izany.
Noho izany, ferana ho 100 hatramin'ny 150 grama isan'andro isan'olona ny manga. Singany iray ihany dia tokony ampy ho an'olona iray. Raha atao ranom-boankazo kosa dia ampy tsara ny iray vera raha atao madity tsara izany.

Lire la suite

Articles Similaires