• Cours de change
  • 5144.88 AR
  • |
  • $4485.12 AR
Copyright Image : © Beaujour
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fihintsanan’ny volo na « alopécie » eo amin’ny vehivavy : ireo tsara fantatra

03/11/2025 11:56 © Moov.Mg

Ny lehilahy matetika no tratran’ny « alopécie » na fihintsanan’ny volo izay mety mitarika amin’ny fahasolana. Mety mahavoa ny vehivavy ihany koa nefa izy io. Ny fiongotan’ny volo be loatra dia mety hahaketraka sy hiteraka fahamenarana. Andeha ary ho resahana eto ireo antony mety mampihintsam-bolo ny vehivavy sy ny fitsaboana azo atao manoloana izany.

Inona no atao hoe « alopécie » ?

Ny « alopécie » dia teny iray entina ilazana ny fihintsanana tsy ara-dalàn’ny volo. Tratry ny « alopécie » ny olona iray rehefa miongotra be ny volony ary tsy miverina maniry araka ny habetsany tokony ho izy izany. Mety ho lasa manify kely ilay volo na sola tanteraka mihintsy aza. Rehefa eo amin’ny hodi-doha no mitranga io fihintsanan’ny volo izay mitarika fahasolana amin’ny ampahany na tanteraka ny loha dia « calvitie » no hiantsoana azy.

Ireo antony mety mampihintsana ny volo eo amin’ny vehivavy

Maro ireo antony mety mahatonga ny « alopécie » na fihintsanan’ny volo eo amin’ny vehivavy. Anisan’izany ny :

« Effluvium télogène »

Fihintsanan’ny volo mandalo avy amin’ny fikorontanan’ny « cycle capillaire » ny « effluvium télogène ». Avy amin’ny « choc physique » na « psychologique », toy ny rarintsaina, fiterahana, aretina, fandidiana, fihenana lanja… aorian’ny volana vitsivitsy no mety mahatonga azy io. Betsaka ny volo mihintsina mandritra izany nefa kosa afaka arenina izany ary miverina maniry ara-dalàna ny volo rehefa voaray an-tanana ilay antony nahatonga azy.

« Alopécie androgénétique »

Ny fitambaran’ny fototarazo sy ny fiasan’ny « androgènes » izay « hormones sexuelles mâles » ao amin’ny vatan’ny vehivavy no mahatonga azy io. Lasa mihafohy nohon’ny tokony ho izy ny « cycles de vie » an’ny volo ka izay no mahatonga azy ireo hiongotra tsikelikely. Mety mandrisika izany ihany koa ny tsy fahazakana fanabeazana aizana sy ny fikorontanan’ny hormonin’ny « ménopause ».

Fihintsanan’ny volo avy amin’ny fanafody

Misy karazana fanafody sasany mety miteraka fihintsanan’ny volo. Anisan’izany ny fanafody ampiasaina amin’ny « chimiothérapie », ny « antidépresseur », ny fanafody fanabeazana aizana…

« Alopécie en plaques »

Indraindray ny « alépocie » dia lazaina hoe « en plaques ». Avy amin’ny aretina vokatry ny « champignon », toy ny aretina « teigne » na koa « pelade » izy io. Mitarika fikorontanana eo amin’ny « follicules pileux » ireny karazana aretina ireny ka lasa miteraka fihintsanan’ny volo sy manakana azy tsy haniry tsara araka ny tokony ho izy.

Ahoana ny fitsaboana azo atao ?

Miankina amin’ny antony mahatonga azy ny fitsaboana ny « alopécie » eo amin’ny vehivavy. Noho izany dia mila manantona mpitsabo rehefa mihintsana be loatra ny volo mba ahafahana mamantatra ny antony mety mahatonga izany.
-Raha « alopécie androgénétique » no mahazo ilay olona dia mila tsaboina ny olana avy amin’ny fikorontanan’ny hormonina mety nahatonga azy ;
-Raha avy amin’ny « teigne » ilay fihintsanan’ny volo dia mampiditra fanafody « antifongique » ny mpitsabo hitsaboana ireo « plaques » ;
-Raha toa ka vokatry ny tsy fahampiana « fer » no mampihitsam-bolo ny vehivavy dia mila manamboatra ny fomba fisakafoanana ka ampitomboina ny fihinanana sakafo be fer, toy ny hena, atody, lentilles, épinards… Mety mila ampiana « supplémentation » ihan koa izany ;
-Raha avy amin’ny fanabeazana aiza, toy ny pilina no nitarika ny « alopécie » dia mila ovaina fanabeazana aizana hafa zakan’ny vatana izany.
Ankoatra ny fanarahana fitsaboana dia misy ihany koa ireo fihetsika mila fadiana mba hisorohana sy hiadiana amin’ny fihintsanan’ny volo eo amin’ny vehivavy. Anisan’izany ny fampiasana hafanana be loatra eo amin’ny volo, ny fanaovana « permanentes » na « défrisages », ny firandranana…

Lire la suite

Articles Similaires