• Cours de change
  • 5130.94 AR
  • |
  • $4482.15 AR
Copyright Image : © Fb
Image
Vaovao

Famonoana ny Rasazy Narindra : Hiakatra Fitsarana ny raharaha, andrasana ny marina

05/11/2025 08:45 © Moov

10 volana aty aoriana, hiakatra Fitsarana ny raharaha mikasika ny Rasazy Narindra. Ity Ben'ny Tanàna ity moa dia votifitra ny 21 febroary lasa teo.

Avy nanatrika ny fanolorana samboady amin'ny maha-Ben'ny Tanàna vaovao azy i Ranivoarivony Narindraniaina no nifanehitra tamina vondron'olon-dratsy. Araka ny fampitam-baovao avy amin'ny fianakaviany, teo anelanelan'ny Ambavalozakely sy Ankafotra, 20 km miala ny kaominina ambanivohitra Itremo Distrikan'Ambatofinandrahana, no nitifirana azy.

Disadisam-piaraha-monina

Nampisavorovoro ny maro ity raharaha famonoana ny Rasazy Narindra ity. Rehefa nandeha ny fanadihadiahana dia anisan'ireo voasaringotra ny anadahiny, ary notazomina am-ponja vonjimaika mihitsy. Io anadahiny io moa no niaraka taminy tao anaty fiara, sady vavolombelon'ny zava-nitranga rehetra. Nambarany nandritra ny fanadihadihan'ny mpanao gazety azy na ny basy nampiasain'ireo mpitifitra aza.
Tsara ny manamarika fa 18 ireo voarohirohy tamin'ity raharaha ity, ka nalefa eny Tsiafahy sy Antanimora izy ireo. Manana porofo mivaingana ny Fitsarana, ka izany no nahafahana nitazona ireo rehetra voarohirohy ireo. Nisy moa ny fanadihadihana lalina natao, ka anisan'ny nojerena manokana ny fifandraisana an-telefaonina nataon'ireo voarohirohy tamin'ny andron'ny famonoana, na antso na hafatra an-tsoratra.
Araka ny fampitam-baovao tamin'ny volana marsa lasa teo, nikasa ny hitoroka mikasika ny tsy fahatomobanan'ny fitantanana ny volan'ny kaominina i Rasazy Narindra. Efa nametraka "fitoriana fiandry" ihany koa ny tenany noho ny fandrahonana azy, izay misy mahakasika ireo mpitrandraka any an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires