• Cours de change
  • 5109.45 AR
  • |
  • $4478.81 AR
Copyright Image : © Mv
Image
Vaovao

Fisorohana ny tondra-drano eto Antananarivo : Manomboka ny asa fanadiovana ireo Lakan-drano

11/11/2025 10:01 © Moov

Manomboka androany talata 11 novambra ny asa fanadiovana an'Antananarivo, manerana ny boriborintany enina.

Nidina ifotony teny Andravoahangy Mascar ny Minisitry ny Fanajariana ny tany, Général Lylison, niaraka tamin'ny Minisitry ny Mponina, Sydonie Raharinirina androany, nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny fanadiovana lakan-drano, amin'izao fiandohan'ny fahavaratra izao. Nanotrona teny an-toerana ihany koa ny ekipan'ny "Autorité pour la protection contre les inondations de la plaine d’Antananarivo" (APIPA).

Fanarenana ny lemak'Antananarivo

Marobe ireo faritra dibo-drano eto Antananarivo Renivohitra rehefa fahavaratra toy izao. Anisan'ireo voa mafy hatrany ny eny Besarety, Andravoahangy sy ny manodidina. Izany indrindra no nandraisan'ireo tompon'andraikitra fanapahan-kevitra ny amin'ny hanatanterahana asa fanadiovana : olona 600 isan'andro no karamaina, mandritra ny 20 andro. Mponina eny amin'ny faritra hanadiovana ihany no misahana ny asa, ka tolorana tambin-karama. Samy vatsiana fitaovana hanadiovana moa ireo mpanadio, saingy misy ihany koa ny "Engins" na fiarabe natolotry ny Minisitry ny Fanajariana ny tany, hisokirana ireo fako mavesatra anaty lakandrano.

Famerenana amin'ny laoniny ny "station de pompage"

Ao anatin'ny fanambin'ny APIPA ny famerenana amin'ny laoniny ireo " station de pompage" eto Antananarivo. Antoky ny fivoahan'ny rano mantsy izany. Efa eo an-dalam-pamaranana ny asa fanamboarana moa ny eny anivon'ny "Station de pompage eny Ambodimita". Tsara ny manamarika fa ny Lakan-drano eny Besarety dia mivarina any Andravoahangy, mandalo an'Ankorondrano, tonga any amin'ny lac Marais Masay vao mivarina any Ambodimita. Tsy mikoriana ara-dalàna nefa ny rano raha tsy madio tsara ny lakan-drano.

Fanentanana mikasika ny fahadiovana

Nanatanteraka fanentanana manokana ny tale jenralin'ny APIPA, ny mba tsy hanariana fako anaty lakan-drano. Tokony anaty dabam-pako ihany no anariana ny fako, satria raha atsipy etsy sy eroa dia entin'ny rivotra sy ny orana mivarina anaty lakan-drano. Tsy azo afenina tokoa fa feno tavoahangy sy poti-tsakafo ny lakan-drano eto Antananarivo sy ny manodidina. Ilaina araka izany ny fahatsiarovan-tena sy ny fiovan'ny toe-tsain'ny tsirairay, na dia efa mandeha aza ny asa fanadiovana.

Lire la suite

Articles Similaires