Tsy fahampiana « fer » eo amin’ny ankizy : ‘ndeha ho resahana
Havizanana maharitra, endrika hatsatra, sahirana mifantoka… Ireo fambara matetika tsy dia manaitra ireo dia mety manambara tsy fahampiana « fer » izay « trouble nutritionnel » fahita eo amin’ny ankizy. Mila fandraisana an-tanana aloha ny tsy fahampiana « fer » eo amin’ny ankizy mba hisorohana ireo mety ho fiantraikany ratsy amin’ny fitomboana ara-tsaina sy ara-batana mety ho atarek’izany.
« Fer » : mandray anjara lehibe amin’ny fitomboan’ny ankizy
Mitana anjara asa lehibe eo amin’ny fiforonan’ny « hémoglobine », izay ilaina amin’ny fitaterana ny « oxygène » ao amin’ny vatana ny « fer ». Ny tsy fahampiana « fer » arak’izany dia mitarika tsy fahampiana « oxygénation » eo amin’ireo « tissus », ka mety hisy voka-dratsiny amin’ny tanjaka, fitomboana sy fifantoana.
Eo amin’ny ankizy dia ny tsy fahampiana « fer » no isan’ny « trouble nutritionnel » fahita indrindra. Araky ny tombana iraisam-pirenena dia ny iray ampahatelon’ny ankizy latsaky ny 5 taona no voakasiky ny tsy fahampiana « fer ».
Tsy fahampiana « fer » eo amin’ny ankizy : ireo salan-taona tena atahorana
Miovaova ny filàna « fer » eo amin’ny vatana. Raha ny eo amin’ny ankizy manokana dia ny zazakely sy ny adolantsento no salan-taona tena atahorana voakasiky ny tsy fahampiana « fer ».
Ny zazakely mbola tsy misakafo, indrindra ireo tsy minono amin-dreniny fa ronono velona no homena azy, Ny ronono velona sy ny rononon’omby rehetra dia zara raha ahitana « fer ».
Ny adolantsento ihany koa dia mila « fer » betsaka kokoa ny vatany noho izy ireo mitombo be sy haingana. Eo amin’ny ankizy vavy dia vokatry ny fahaverezana rà mandritra ny fadimbolana. Ny sakafo tsy voalanjalanja na tsy ampy hena, voamaina na legioma raviny dia efa mety mitarika tsy fahampiana « fer » eo amin’izy ireny.
Ireo fambara fanairana tsy azo atao tsirambina
Mety tsy ho tsikaritra ireo soritr’aretina voalohan’ny tsy fahampiana « fer » eo amin’ny ankizy. Misy ihany koa nefa ireo fambara fanairana tokony hahamailo ny ray aman-dreny :
-Rera-dava na lasa kely hery ;
-Hatsatra ny tarehy, ny molotra na ny ao ambadiky ny hodi-maso ;
-Mikorontana ny fifantohana, kizitina, tsy maharaka amin’ny fianara ;
-Tapatapaka ny hoho, malain-komana, misy « infections » miverimberina ;
-Mangatsiaka ny tanana sy ny tongotra nefa tsy misy antony mazava mety mahatonga izany.
Eo amin’ny ankizy kely sasany dia mety hisy ireo fihetsika tsy mahazatra atao hoe « pica », izany hoe ny faniriana mihinana zavatra tsy fihinana toy ny tany na taratasy. Fambaran’ny tsy fahampiana « fer » lalina mpa izany.
Ireo mety ho fiantraikan’ny tsy fahampiana « fer » eo amin’ny ankizy
Raha tsy voaray an-tanana ara-potoana sy ara-dalàna ny tsy fahampiana « fer » eo amin’ny ankizy dia ety hivadika « anémie ferriprive ». Ity farany dia mety hisy vokadratsy maharitra eo amin’ny fitomboana ara-tsaina sy « moteur ».
Ankoatra izay dia mety hampikorontana ny fandrindrana ny toe-po sy ny fitadidiana ihany koa ny tsy fahampiana « fer » ka mahatonga fahatarana maharitra amin’ny fianarana. Raha mahatsikaritra ireo fambara notanisaina teo ambony ireo dia mila entina mpitsabo ny zanaka ahazo ny fitsaboana sahaza azy.
Mba hisorohana ny tsy fahampiana « fer » eo amin’ny ankizy dia tandremana tsara ny fanomezana azy ireny sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana. Ho an’ny zazakely mbola tsy misakafo dia rononon-dreny na solon-dronono no homena azy.



