Césarienne : Tsy maintsy mitsangana ao anatin'ny 12 ora aorian'ny fandidiana !
Anisan'ny mampitaraina ny vehivavy avy natao "césarienne" rehetra ny fanaintainana mafy rehefa "terena" hitsangana iny. Amin'ny ankapobeny mantsy, 8 ora aorian'ny fandidiana eo ho eo dia tsy maintsy mitsangana ilay reny avy nodidiana. Inona àry no anton'izany ?
Saropady ny fahasalaman'ny reny avy niteraka, indrindra rehefa niatrika "opération césarienne". Mba hisorohana zava-doza maro, mila mihetsika ny vatana ao anatin'ny 12 ora aorian'ny fandidiana.
Misoroka ny fivainganan'ny rà
Ny fatoriana lava loatra dia mampitombo ny mety hisian’ny phlébite (fivongan’ny ra ao anaty lalan-dra). Noho izany, fitsanganana sy ny fihetsiketsehana kely dia manampy amin’ny famerenana ny fikorianan’ny rà.
Mampiverina ny "transit intestinal"
Ny fandidiana dia manakorontana ny fiasan’ny tsinay. Misy fiantraikany ihany koa ny "anesthésie" sy ny tsy fisakafoanana mandritra ny ora maro. Ny fandehanana moramora dia manampy ny tsinay hiasa tsara indray, sady hisorohana ny "constipation". io hiasa indray ary misoroka ny constipation.
Manafaingana ny fahasitranana
Ny fihetsiketsehana, na dia moramora aza, dia manampy ny hozatra hamerina ny heriny. Mampihena ny fanaintainana ateraky ny fatoriana maharitra ihany koa izany.
Tsy maintsy atao tsikelikely ny famerenana ny fihetsiketsehana, eo ambany fanaraha-mason’ny ekipan’ny mpitsabo, mba hisorohana ny loza. Mila fanaraha-maso manokana ny reny avy nodidiana, indrindra mandritra ny 5 andro hijanonany any amin'ny hopitaly farafahakeliny.



