Fahatapahan’ny herinaratra : Andrin-jiro 17 isa no simba tao anatin’ny 5 andro, ahiana ho sompatra
Miahiahy ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo fa misy ireo minia misompatra ireo fitaovana mpamatsy herinaratra eto amintsika, satria dia betsaka, tsy araka ny tokony ho izy izany, tato anatin’ny iray volana eo ho eo. Raha ny famokarana miainga ao Andekaleka mantsy, araka ny fanazavan’ny minisitra Ralitera Ny Ando Jurice, dia efa tsy tokony hisy intsony ny delestazy.
Tsy misy intsony ny olana amin’ny famokarana herinaratra
Nahitana fihetsiketsehana tamin’ny toerana maro teto Antananarivo, tao anatin’ny andro vitsivitsy izao, noho ny fahatapahan’ny herinaratra. Isan’izany ny teny Ambohipo sy teny Tsimbazaza. Raha ny nambaran’ny minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Ralitera Ny Ando Jurice, anefa, nandritra ny fivahinianany to amin’ny fahitalavi-pirenena (TVM) omaly 22 novambra 2025, dia efa ampy ny famokarana herinaratra eny Andekaleka. Nazavain’ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo fa efa mamokatra amin’ny tanjany manontolo ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin'ny tohodrano ao Andekaleka, izany hoe : mahavokatra herinaratra 116 MW. Miasa avokoa ireo milina miisa efatra ao an-toerana. Ho an’ny andron’ny omaly dia 109MW no vokatra azo, raha toa ka 40 MW hatramin’ny 50 MW monja izany teo aloha.
Araka izany, efa tsy misy intsony ny olana amin’ny famokarana herinaratra, araka ny nambaran’ny minisitra Ralitera Ny Ando Jurice tao amin’ny TVM. « Na misy aza izany dia kely, 5 MW hatramin’ny 10 MW eo ho eo », hoy izy. Ampiasaina, entina hamenoana izany, ireo milina TAC (turbines à combustion), raha tena ilaina, satria notsiahivin’ny minisitra fa tena mihinana solika betsaka tokoa izy ireo.
Fahasimbana fitaovana mampiahiahy
Na eo aza izany famokarana herinaratra efa ampy izany, dia mbola misy hatrany ny fahatapahan-jiro amin’ny toerana maro, tsy eto Antananarivo ihany fa amin’ny Farita maro manerana an’i Madagasikara. Araka ny fanazavan’ny minisitra dia tsy delestazy ara-toekarena (délestage économique) no zava-misy ankehitriny fa fahatapahana ara-teknika noho ny tsy fahasimban’ny fitaovana. Ny « delestazy » mifandimby moa dia fanapahana tsy maintsy atao, rehefa misy tsy fahampian’ny famokarana herinaratra. Ny fahatapahana na « coupure » kosa, dia noho ny olana ara-teknika, toy ny fahasimban’ny fitaovana, ka mahatonga olana eo amin’ny famatsiana herinaratra.
Tao anatin’ny 5 ndro, dia nihoatra ny 17 ny isan’ireo andrin-jiro nidaraboka. Maro ihany koa ireo fitaovana hafa voalaza fa nisy fahasimbana mampiahiahy ary tsy mbola nitranga hatrizay, toy ny teny amin'ny "Sous Station Tanà Sud" sy ny "Sous Station Tanà Nord". « Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona hatramin’ny volana oktobra, dia vitsy lavitra ny fahapotehana, raha ampitahaina amin’ny tamin’ny faran’ny volana oktobra no ho mankaty », hoy ny minisitra. Manoloana izany tranga izany dia ahiana ny mety ho ankasomparana. Efa manatontosa ny fanadihadiana ireo teknisianina ny amin'ny mety ho fisian'izany sompatra sy fanimbana iniana atao izany. Mifanolo-tanana amin’ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo ihany koa ny ministera hafa. Etsy an-daniny, miantso ny rehetra ho sarotiny amin'ny fanaraha-maso ireo fotodrafitrasa sy fananana iombonana ny minisitra, ka hampandre haingana ny manam-pahefana, raha vao misy tranga mampiahiahy.



