• Cours de change
  • 5073.34 AR
  • |
  • $4468.06 AR
Copyright Image : © Eureden-Foodservice
Image
Fahasalamana&Sakafo

Terrine de légumes : "Entrée froide" matsiro tsy misy trondro

23/11/2025 16:32 © Moov

Anisan’ny « entrée » mampitsiriritra ny « terrine » rehefa misy lanonana. Azo amboarina tsara ao an-trano io sakafo io, sady tsy voatery asiana trondro.

Tsy vitsy ireo tsy mihinana trondro noho ny antony ara-pahasalamana na antony manokana. Atoro anao àry ny fanamboarana "Terrine" amin'ny alalan'ny legioma.

Akora ilaina

-Karaoty, courgette, poivron mena sy maintso (raha mahita mavo vao maika tsara), tsaramaso lena (efa masaka raha misy)
-Atody 3
-Crème liquide 200 ml
-Maïzena roa sotro fihinanana
-Sira, dipoavatra
-Zava-maitso manitra (thym & persil)
Mazava ho azy, mila "moule" (lasitra) fanamboarana cake.

Fikarakarana azy

Mila adiny iray hatramin'ny adiny roa eo ho eo ny fikarakarana ny Terrine de légumes.
-Tetehina efajoro madinika kely ny legioma ;
-Endasina ny legioma amin’ny lapoaly, tsy atao malemy loatra na may ;
-Afangaro ny atody sy ny crème ary ny maïzena, asiana sira sy dipoavatra ary ny zava-maitso. Arotsaka ny legioma avy eo ;
-Atao anaty lasitra ny fangaro rehetra, ka atao bain marie mandritra ny 15 minitra ;
-Andrahoina ao anaty lafaoro 40 minitra amin’ny hafanana 180°C avy eo.

Azo aroso miaraka amina karazana "entrée froide" samihafa ny Terrine de légumes, ka andrasana mangatsiaka vao hanina. Amin'ny ankapobeny, mila telopolo minitra aorian'ny hamoahana azy anaty lafaoro raha kely indrindra vao aroso ny sakafo. Asiana mofo mba hafilotra tsara ny sakafo rehetra. Mazotoa homana !

Lire la suite

Articles Similaires