« Septicémie » : vonjy taitra ara-pahasalamana tsy azo atao tsirambina
Fahasarotana ara-pahasalamana ateraky ny fihombon’ny otrikaretina ny « septicémie ». Vonjy taitra ara-pahasalamana sarotra izy io noho izy mitarika fikorontanana eo amin’ny fiasan’ny hery fiarovana ka mahatonga ireto farany hanafika ny otrikaretina ary koa ireo sela sy taova salama an’ilay marary. Mihombo haingana ary mahafaty ny « septicémie » raha tsy voatsao ara-potoana. Araho eto ireo tsara fantatra mikasik’izany.
Inona no atao hoe « septicémie » ?
Ny « septicémie » dia otrikaretina sarotra sy miparitaka manerana ny rà. Matetika dia avy amin’ny bakteria no mahatonga azy io, nefa mety ho avy amin’ny viriosy na « champignons » ihany izany. Vokatry ny fiadian’ny vatana amin’ny otrikaretina izay mahatonga ireo hery fiarovana hanafika hatramin’ny sela sy ny taova no mitarika ny « septicémie ». Izany hoe tsy ilay bakteria mahatonga ilay « infection » fotsiny ihany no tafihan’izy ireo fa ny sela sy ny taova ihany koa. Raha tsy voatsabo haingana dia mety mihombo ho lasa « choc septique », izany hoe lasa miaraka tsy miasa intsony ny taova maro, ny « septicémie » ary mitarika amin’ny fahafatesana.
Ireo antony mety mahatonga ny « septicémie » ?
Maro ireo antony mety mahatonga ny « septicémie », ka anisan’izany ny :
-Otrikaretina avy amin’ny bakteria izay miparitaka manerana ny rà ;
-Fihombon’ny otrikaretina na « infection locale » izay tsy voatsabo na tsy voatsabo ara-dalàna, toy ny « infection urinaire », « infection pulmonaire »… ;
-Fahasarotana taorian’ny nametahana « cathéter ».
-Ambony kokoa ny « risques » hahavoa ny « septicémie » eo amin’ireo olona marefo na ambany ny hery fiarovana.
Ireo soritr’aretin’ny « septicémie »
Anisan’ireo soritr’aretin’ny « septicémie » mety mitranga ny :
-Fanaviana avo na hafanan’ny vatana ambany be ;
-Fahatsapana mangatsiaka be ;
-« Confusion » ;
-Fahasahiranana miaina na miaina haingana be ;
-Malaky be ny fitempon’ny fo ;
-Mandomando ny hoditra na tsemboka ho azy ;
-Manaintaina be na tsy mahazo aina ny vatana iray manontolo.
Ireo mety ho fiantraikan’ny « septicémie » sy fahasarotana
Raha tsy voaray an-tanana ara-potoana sy ara-dalàna ny « septicémie » dia mety hitarika :
-Fikorontanana eo amin’ny fivainganan’ny rà sy ny tosiky ny rà. Izany dia mety hitarika tsy fahatomombanana na olana eo amin’ireo taova lehibe toy ny voa, ny atidoha sy ny avokavoka ;
-Fiaton’ny fiasan’ny taova iray na maro ;
-« Choc septique » : midina ambany be ny tosidrà ary lasa tsy miasa intsony ny taova maro ka mitarika amin’ny fahafatesana.



