Jono sy tontolo iainana : Mirongatra indray ny fampiasana ny lay ho fitaovam-panjonoana
Manao antso avo amin’ny mpitondra isan’ambaratongany ireo mpitantana ny faritra an-dranomasina tantanan'ny vondron’olona ifotony (LMMA), ho fampiharana ny lalàna mandrara ny fampiasana fitaovam-panjonoana vita amin’ny lay manerana an’i Madagasikara. Mirongatra indray mantsy izany ankehitriny, ka misy fiantraikany amin’ny sehatry ny jono sy ny toekarena manga.
Fitaovam-panjonoana voararan’ny lalàna
Mahazo vahana amin’ny Faritra eto Madagasikara, amin'izao fotoana izao, ny fampiasana ny lay ho harato fanjonoana, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Tambajotra MItantana HArena an-dRanomasina avy eny Ifotony (MIHARI). Anisan’ny tena ahitana izany ny any amin’ny tapany avaratra andrefan’ny Nosy, toy ny any Nosy Be, Baie de Tsimipaika, Nosy Faly, ary Baie d’Ambaro. Voararan’ny lalàna anefa ny fampiasana fitaovam-panjonoana vita amin’ny lay, manerana an’i Madagasikara sy amin’ireo rano eo ambany fahefany, araka ny didim-panjakana laharana 290/2018 tamin’ny 11 janoary 2018. Miteraka voka-dratsy maro eo amin’ny lafin’ny jono ny fampiasana fitaovam-panjonoana tsy ara-dalàna tahaka ny lay. Ankoatra ny mason’ny lay, izay kely dia kely raha mitaha amin’ny an’ny harato, dia misy mihoatra ny 100 metatra ny halavan'ny lay ampiasain'ireo mpanjono ary tonga hatrany amin’ny 12 metatra ny halaliny, araka ny nambaran’ireo mpitantana LMMA, izay velon-taraina vokatry ny fahasimban'ny harena an-dranomasina.
Mihamarefo ny tontolo an-dranomasina
Manimba tsikelikely ny rohivoaary an-dranomasina, izay fonenana sy fitomboan'ny harena sy hazan-dranomasina, ny fampiasana fitaovam-panjonoana tsy manara-dalàna sy tsy manaraka ny fenitra. Rehefa izy ireny mantsy no ampiasain’ny mpanjono, dia mety ho voafaoka avokoa hatramin’ny atodin-trondro sy zanaka hazandrano. Raha mitohy ny tahaka izany dia ho lany tamingana ireo harena an-dranomasina isan-karazany ary hihamarefo ny tontolo an-dranomasina, noho ny fikorontanana sy ny tsindry mahazo azy. Vokatry ny fahapotehan’ny tontolo anaty ranomasina dia hifindra monina ireo hazan-dranomasina sisa tavela. Izany tranga izany dia hampihena be ny vokatra, ary ireo mpanjono ihany no hizaka ny vokatr’izany voalohany, satria hihena manaraka izany ihany koa ny fidiram-bolan’ny mpanjono eny ifotony. Rehefa manana olana amin’ny velon-tena ireo mpanjono dia ho tratran’ny tsifanjariantsakafo. Voatery hifindra monina matetika izy ireo, hitady toerana hafa hahafahana mivelona, ary hihamarefo, noho izany. Ny toekarena mangan’ny firenena iray manontolo ihany koa dia ho voakasiky ny voka-dratsin’ity tranga ity.
Mitaky fandraisana fepetra haingana
Mba hisorohana ireo voka-dratsy ireo, sy hamerana ny efa fahasimbana, dia miantso ny tomponandraikitra eny ifotony sy isan'ambaratongany ireo mpitantana LMMA mba handray fepetra faran’izay haingana ho fampiharana ny lalàna, ka hampitsaharana ny fampiasana ireo fitaovana manimba ny tontolo an-dranomasina ireo. Mangataka fanohanana ihany koa izy ireo, amin'ny fifehezana ity tranga manimba ny tontolo iainana ity, izay efa mihoatra ny fahefana ananan'izy ireo. Isan’ny ilàn’ny mpitantana LMMA fanampiana, ankoatra izay, ny momba ny fanentanana tsy tapaka ireo fokonolona, ny amin'ny voka-dratsy ateraky ny fampiasana lay ho fitaovam-panjonoana.


