Fanamboarana ny RN7 : Horarahana vatokely sy pasohana ireo lavadavaka tena manahirana
Vahaolana vonjimaika, ihany atreto, no natolotry ny Minisiteran’ny asa vaventy, amin’ny fahasimban’ny lalam-pirenena fahafito (RN7), mampitohy an’Antananarivo amin’Antsirabe.
Efa mandeha ny fandrarahana vatokely sy fipasohana ireo lavaka
Efa am-perin’asa ireo orinasa, manatanteraka ity vahaolana vonjimaika ity, dia ny fandrarahana vatokely sy fanatsaratsarana ireo lavadavaka tena manahirana ireo mpampiasa lalana. Raha ny fanazavana, avy amin’ireo mpamily, dia lasa maharitra ora 8 no hamitana io 175 km io, raha tokony ho 4 ora izany, teo aloha. Sady manimba fitaovana no mandany kokoa izany, ka nampikaikaika azy ireo. Hamaliana izany, fangatahana izany no anton’izao vahaolana vonjimaika izao.
Raha tsiahivina dia nisy ny fikasana hanamboatra ny ampahany betsaka amin’iny lalana iny, ka nikikisana ireo sosona rehetra efa ratsy tamin'ny lalana. Raha ny fanazavana hatrany dia, vokatry ny toetr’andro, izay ny fisian’ny orana nilatsaka mialoha, no nijanonan’ny asa ka nahatonga ireo lavadavaka mampijaly ny mpampiasa lalana ireo. Aorian’ity vahaolana vonjimaika ity, ka rehefa tsy sakana intsony ny toetr'andro, dia hiroso avy hatrany amin'ny dingana fanamboarana manaraka ireo Orinasa.
Fanitsiana saran-dalana
Manoloana ity faharatsian’ny lalana ity dia nampiakatra saran-dalana ireo, mpitatitra, amin’iny lalam-pirenena fahafito sy ny mifandray aminy, iny. Saika nahitana, izay fiakarana izay avokoa na ireo mankany atsimo, na atsimo andrefana na ireo atsimo atsinanana. Nisy fiakarany 5 000 ariary hatramin’ny 15 000 ariary, izany, araka ny toerana. Ny mankany Ambositra, ohatra lasa 35 000 ariary raha 30 000 ariary teo aloha. Vangaindrano lasa 90 000 ariary raha 75 000 ariary teo aloha. Nahitana fiakarana toy izany, ihany koa ny mankany Morondava sy Miandrivazo ary ny mankany Ihosy. Hanomboka rahampitso 19 desambra hatramin’ny 3 janoary , izao no hampiharana ireo fanitsiana saran-dalana ireo.
Nanamarika kosa ireo, mpitatitra ao amin’ny Fasan’ny Karana fa tsy ny faharatsian’ny lalana irery ihany, no antony hanitsiana ity saran-dalana ity, fa eo ihany koa ny fahamaroan’ny mpandeha sy ny ezaka fanavaozana ny toeram-piantsonana.


