Fitandroana ny filaminana : Polisy 2925 isa no nohetsehina nandritra ny Krismasy, teto Antananarivo
Nampitombo ny isan’ireo Polisy niantsehatra teny an-kianja, indrindra manodidina ireo toerana be mpivezivezy sy be olona, toy ireo fiangonana isan-karazany, ny Polisim-pirenena malagasy, nandritra ny fankalazana ny Krismasy taona 2025. Rantsana maro avy eo anivon’ny Polisim-pirenena malagasy no nandray anjara tamin’izany, araka ny tatitra nivoaka androany 26 desambra 2025.
Polisy avy amin’ny rantsana samihafa
Niisa 2925 ireo Polisy niantoka ny filaminana, mialoha sy nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy, teto Antananarivo. Mitsinjara ho toy izao izy ireo : ny 627 isa avy amin’ny andiany Faneva, ny 68 isa avy amin’ny andiany Mendrika, ny 1.102 no Polisin’Antananarivo Renivohitra (police urbaine), ny 292 isa avy amin’ny kaomisaria Avaradrano, ny 269 isa avy amin’ny kaomisaria Atsimondrano, miisa 457 avy amin’ny FIP (Force d'Intervention de la Police), miisa 30 avy amin’ny USI (Unité Spéciale d'Intervention), 30 isa ihany koa no avy amin’ny SAG (Service Anti-Gang) ary nisy 50 isa no avy amin’ny DGPN (Direction Générale de la Police Nationale).
Trangam-pahafatesana miisa 4
Raha ny tsy fandriampahalemana dia tsy nisy loatra ny tranga tena namoa-doza, araka ny tatitra voaray androany. Nisy kosa ny lozam-pifamoivoizana namoizana aina, toy izay nitranga teny Ambohidratrimo ary nitarika ny fahafetasan’olona miisa roa. Izany loza izany dia vokatry ny fahamamoan’ny mpamily, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena. Olona 5 ihany koa no fantatra fa naratra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana hatrany. Raha atotaly dia niisa 17 ny lozam-pifamoivoizana nitranga teto Antananarivo, tao anatin’iny fankalazana ny Krismasy taona 2025 iny.
Ankoatra ireo dia nisy trangam-pahafatesana niisa 4 no efa raisin’ny pôlisy an-tanana ny fanadihadiana momba azy. Isan’izany ny tranga teny Manarintsoa Centre, izay nahitana vehivavy iray manodidina ny 30 taona, tsy manana trano fonenanana marim-pototra, ary hita faty nipetraka teo ambony seza. Noraisin’ny kaomisaria Boriborintany faha-4 ny fanadihadiana momba ity tranga ity. Teny Andafiavaratra ihany koa dia nisy lehilahy iray manodidina ny 45 taona, hita faty tao anaty tatatra, vokatry ny hamamoana diso tafahoatra. Efa namarinin’ny filohan’ny Fokontany sy ny kaomisaria Boriborintany faha-2 ny momba izany zava-nisy izany. Ankoatra izay dia nahitana fatina vehivavy iray 50 taona teny Mahavoky. Tsy fantatra mazava ny toeram-ponenany ary efa manao ny fanadihadiana mikasika ity trangam-pahafatesana ity ny kaomisaria Boriborintany faha-3. Na nisy aza ireo tranga rehetra ireo dia azo lazaina ho niaina Krismasy nilamina ihany ny teto Antananarivo, tamin’ity indray mitoraka ity, raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena.


