• Cours de change
  • 5309.78 AR
  • |
  • $4575.94 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Orambe mikija : Tokony hialana ireo trano marefo eto Antananarivo, sy ireo toerana ambony

05/01/2026 15:29 © Moov

Noho ny rotsak’orana tsy miato, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) dia miantso ireo fianakaviana monina amin’ny trano efa tranainy sy marefo, hifindra avy hatrany. Izany no hatao mba mba hisorohana loza sy hiarovana aina, araka ny fampitandremana navoaka omaly.

Ny aina no ambony indrindra

Manoloana ny fitohizan’ny orambe sy ny fahabetsahan’ny rotsak’orana tato ho ato, izay mbola mitohy dia namoaka fampitandremana ny mponina, indray ny CUA. Tao anatin’ny fanambarana ofisialy dia manentana ny fianakaviana rehetra monina amin’ireo trano tranainy, indrindra ireo vita amin’ny tanimanga sy biriky sy efa marefo, ny kaominina mba hiala tsy misy hatak’andro amin’ny toeram-ponenany. Tsy vahaolana ny fijanonana ao, na dia vonjimaika aza, noho ny loza mety hitranga, toy ny firodanan’ny trano na ny fahapotehan’ny rindrina, hoy ny fanazavana.
Ity fepetra ity dia natao indrindra hiarovana ny ain’olona, satria mihamarefo ireny fotodrafitrasa ireny, noho ny fahabetsahan’ny orana. Ireo trano efa ahitana triatra, fahasimban’ny rindrina na famantarana hafa mampiahiahy dia tokony hialana avy hatrany. Tokony hifindra amin’ny toerana azo antoka kokoa ny mponina, mandra-pitsaharan’ny loza

Fanamafisana ny fanaraha-maso sy ny fisorohana

Eo anatrehan’izany dia hamafisina ny fanaraha-maso ataon’ireo ekipan’ny Fitantanana ny Loza sy ny Tandindon-doza (GRC) ao amin’ny CUA, indrindra amin’ireo faritra sy fotodrafitrasa efa hatahorana. Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra, mbola maro ireo trano eto Antananarivo no tandindonin-doza hirodana, indrindra ireo trano nentim-paharazana sy efa antitra.
Hotanterahina, ary hatao laharam-pahamehana ny asa fitsirihana sy fanentanana ataon’ireo ekipan’ny mpamonjy voina, indrindra ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Raha tsiahivina dia trano 1 490 no efa ahiahina amin’ireo loza samihafa. Rehefa tafapetraka ny fepetra rehetra ilaina, dia hisokatra tsikelikely ny toerana fandraisana vonjimaika ho an’ireo mety hiharan-doza. Izany moa dia hiarahana amin’ny fiaraha-miasan’ny tompon’andraikitra eny anivon’ny distrika sy ny faritra, araka ny fanazavan’i Marius Rasedison, talen’ny GRC ao amin’ny CUA.
Nanentana ny mponina rehetra, ihany koa ny CUA, mba hanara-maso akaiky ny tranony sy ny an’ny manodidina azy, ary hampandre avy hatrany ny mpamonjy voina raha misy zavatramampiahiahy. Ilaina ihany koa ny mihainohaino, indrindra ireo « sirène » famantarana ny loza raha sanatria efa mihatra izany. Marihina fa efa ao anatin’ny faritra mena tanteraka ny eny amin’ny faritra avo sy ny eny amin’ny Manjakamiadana sy ny manodidina eny.

Lire la suite

Articles Similaires