• Cours de change
  • 5302.84 AR
  • |
  • $4570.87 AR
Copyright Image : © Pass'Santé Jeunes
Image
Reny&Zaza

« Bronchiolite » eo amin’ny zaza : ireo soritr’aretina tokony hahamailo

06/01/2026 14:45 © Moov.Mg

Aretin’ny lalam-pisefoana fahita matetika amin’ny zazakely, indrindra ireo latsaky ny roa taona, ny « bronchiolite ». Matetika izy io dia tsy dia misy atahorana, nefa kosa amin’ny tranga sasany dia mila fitsaboana malaky mba hisorohana ny mety ho fahasarotana. Andeha ary ho fantarina eto ny tsara fantatra mikasika ny « bronchiolite » eo amin’ny zaza sy ireo soritr’aretina tokony hahamailo ny ray aman-dreny.

Inona ny atao hoe aretina « bronchiolite » ?

Ny « bronchiolite » dia otrikaretina avy amin’ny viriosy izay manafika ny lalam-pisefoana madinika na ny « bronchioles ». Matetika dia ny « virus respiratoire syncytial » no mahatonga azy io. Miteraka « inflammation » sy fiangonana tsiranoka ao anatin’ny taovam-pisefoana ny viriosy ka mahatonga ny zazakely voa ho sahirana miaina. Amin’ny ankapobeny dia manomboka toy ny sery tsotra izy io, ary avy eo mivoatra ho kohaka sy fahasahiranana miaina (gêne respiratoire).

Ireo soritr’aretin’ny « bronchiolite » mahazatra sy tokony harahina eo amin’ny zaza

Tsy dia miavaka be loatra ireo fambara voalohan’ny « bronchiolite » eo amin’ny zaza :
-Orona jenjina na misimisy lelo ;
-Manavinavy (indraindray tsy misy) ;
-Kohaka mihombo tsikelikely ;
-Havizanana tsy mahazatra.
Amin’ny ankamaroan’ny tranga dia mbola afaka miaina tsara sy mihinana ny zaza, na dia mety haharitra kokoa aza ny fotoana fisakafoanana.

Ireo fambara maneho fa sahirana miaina ny zaza voan’ny « bronchiolite »

Misy ireo soritr’aretina na fambara sasany maneho fa sahirana miaina ny zaza voan’ny « bronchiolite » ka tokony entina malaky any amin’ny mpitsabo na toeram-pitsaboana :
-Miaina haingana na sahirana miaina (mifoka rivotra) miaraka amin’ny filemponan’ny kibo eo ambanin’ny taolan-tehezana ;
-Misokatsokatra ny vavorony isaky ny miaina ;
-Feo misioka na maneno hafahafa rehefa miaina ;
-Fihatoan’ny « respiration » vetivety (apnée), indrindra eo amin’ny zaza latsaky ny 3 volana ;
-Miloko manga ny molotra na ny rantsan-tanana ;
-Sahirana be na tsy mety misakafo ( mihena be ny rononon-dreny na solon-dronono laniny) ;
-Reraka be, malemilemy.
Ireo fambara ireo dia maneho fa tsy ampy « oxygène » ny vatan’ny zaza ka mila fandraisana an-tanana sy fitsaboana haingana izy.

Lire la suite

Articles Similaires