Oniversiten’Antsiranana : Hatsaraina ny lafiny rano, fanadiovana sy fidiovana ho an’ny mpianatra maherin’ny 4 000
Nandritra ny fitsidihan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara an’Antsiranana dia nandalo tao amin’ny Oniversitem-panjakana ao an-toerana, ny tenany. Nandritra izany no nitsidihany ireo toerana hametrahana ny fotodrafitrasa lehibe ao anatin’ny Campus.
Fanatsarana ny toe-piainan’ny mpianatra
Raha ny nambaran’ity Filoham-panjakana ity dia sehatra hojereny voalohany ny fanatsarana ny toe-piainan'ireo mpianatra eny anivon'ny Oniversitem-panjakana. Entina hanatanterahana izany indrindra ny fanomezana ny zo fototra tokony ho sitrahin’izy ireo dia ny jiro sy rano ary ny fanadiovana izany. Ho an'ny eto Antsiranana manokana dia efa nahazo famatsiana rano fisotro madio izy ireo, izay mbola hiampy roa izany. Nojerena ny toerana hametrahana ireo fotodrafitrasa, izay hamatsiana rano ireo trano fidiovana no sady hamatsiana rano ny mpianatra. Ankoatra izay dia mbola hiampy « unité de traitement » na toerana hahafahana manadio rano iray sy fitahirizan-drano manana hadiry 10m3 ihany koa ireo.
Etsy ankilany moa raha ny fanazavana dia ho toy ny Oniversitem-panjakana rehetra dia hisitraka jiro ihany koa ny mpianatra. Hahazo ireo takelaka masoandro hahafahana mahazo herinaratra ihany koa ireto mpianatra ireto.
Fotodrafitrasan’ny fahadiovana
Ankoatra ny jiro sy ny rano dia hatsaraina ihany koa ny toeram-ponenan’ny mpianatra. Hisy ny fananganana tranon'ny mpianatra roa lehibe, ahitana efitra 99 ary hizarana kidoro 250 isa sy vary 15 taonina ireo mpianatra. Hatsaraina miaraka amin’izany ihany koa ny toeram-pidiovana ka toeram-piavelana (kabone) miisa 07 sy toerana fandroana 03 no hatsangana ho an'ny vehivavy. Kabone miisa 03 sy toeram-panditsahana (pissoirs) 07 ary toerana fandroana 02 kosa ho an'ny lehilahy. Hahazo ny anjarany ihany koa ny olona manana fahasembanan, izay hananganana kabone 01 ho. Hanampy ireo rehetra ireo ny trano fidiovana miisa 05 haorina eny amin'ny trano fianarana (salles des travaux dirigés). Marihina fa mpianatra maherin'ny 4.000 no mahazo tombontsoa amin'izao tetikasa izao.
Ankoatra ireo rehetra ireo moa dia naneho ny hetahetany ihany koa ny mpianatra. Isan’ny nivoitra tamin’ny fangatahan’izy ireo ny fananganana fefy ho an'ny oniversite, ny lafiny vatsim-pianarana ary ny momba ny saram-pianarana izay lafo dia lafo.


