CHU Ambohimiandra : Nitombo ny efitrano handraisana ireo zaza marary, tohana avy amin’ny Fondation Axian
Natolotra sy nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy androany 16 janoary 2025 ny fotodrafitrasa vaovao naorina eo anivon’ny hôpitalin’ny reny sy ny zaza eny Ambohimiandra. Ny Fondation Axian no mpiara-miombona antoka tamin’ny fanamboarana izany, ho fanohanana ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara.
Fotodrafitrasa vaovao handraisana ireo zaza marary
Ny taona 1923 no niorina ny CHUMEA, na ny hôpitalin’ny reny sy ny zaza eny Ambohimiandra. Araka izany, efa zato taona mahery ny ankamaroan’ireo fotodrafitrasa miorina ao an-toerana. Tonga aminny fotoana mahamety azy indrindra ny fahazoana izao fotodrafitrasa vaovao izao, araka ny nambaran’ny Dr Ravelomananana Lovaniaina, tale mitantana ny hôpitaly. Fotoana mampirongatra ireo valanaretina isan-karazany mpahazo ny zaza mantsy amin’izao, isan’izany ny « bronchiolite », ny kitrotro, sy ny aretim-pivalanana. Rehefa amin’ny fotoana mahabetsaka ny marary toy izao dia voatery atambatra amin’ny fandriana iray ny zaza marary miisa roa, na telo mihitsy. Indraindray aza, tsy maintsy lavina ny marary tonga eny an-toerana, satria tsy misy intsony ny toerana, hoy hatrany ny fanazavany.
Ity fotodrafitrasa vaovao ity, izay notanterahin’ny Fondation Axian ao anatin’ny tetikasa Miahy Jovena, dia hahafahana mandray an-tanana marary miisa 60 isam-bolana, amin’ny ankapobeny. Ahitana efitrano miisa telo izy ity, ka ny roa natokana handraisana marary, mahazaka fandriana 8, ary ny iray natokana ho an’ireo mpitsabo sy mpikarakara marary. Misy toeram-pivoahana miisa roa ihany koa naorina ao an-toerana.
Tohana ho an’ny fahasalamam-bahoaka
« Tena sarobidy ny fijoroan’ity fotodrafitrasa ity, satria vonjy aina ho an’ny zaza malagasy. Hitombo ny isan’ny zaza hisitraka fahasalamana, hihatsara ny fandraisana ny marary ary hihena ny fahakizintinana izay mpitranga rehefa marary ny zaza », hoy ny Dr Ravelomananana Lovaniaina, nandritra ny fandraisam-pitenenany, tao anatin’ny lanonam-pitokanana ity fotodrafitrasa vaovao ity. Nilaza kosa ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Managna Monira, fa mifanandrify amin'ny vinan'ny Fitondram-panjakana, momba ny fanavaozana ny fotodrafitrasa sy ny fanatsarana ny sehatry ny fahasalamana, ny fanorenana izao fotodrafitrasa vaovao izao.
Nanazava kosa ny « administrateur » an’ny Fondation Axian, Razafindrainibe Ando, fa namaly tsy am-pisalasalana ny antso nataon’ny mpitantana ny hôpitaly ny vondrona Axian, satria toerana natao ikarakarana sy iarovana ny ain'ny zaza malagasy ny hôpitalin’ny zaza. Mahatsapa ny zava-misy iainan’ny zaza malagasy rahateo ny Fondation Axian, hoy izy, satria ny 50%-n’ny mponina izay ahian’ny Fondation Axian ao amin’ny Akany Iarivo Mivoy, iarahany mitantana amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, dia zaza sy ankizy avokoa. Ny 70%-n’ny mponina ao amin’io akany io dia latsaky ny 18 taona avokoa. Nanamafy ny fiarahana miombona antoka sy ny fanohanana ny sehatry ny fahasalama eto Madagasikara ny Fondation Axian. Notsiahivin-dRazafindrainibe Ando, fa misy 26 isa ireo tobim-pahasalamana fototra manerana ny Nosy no navaozina sy nitarina, hatramin’izay nijoroan’ny Fondation Axian.


