• Cours de change
  • 5212.01 AR
  • |
  • $4509.63 AR
Copyright Image : © Denise
Image
Vaovao

Toamasina : Mpanakanto miisa 57 nisitraka mari-boninahitra ny kanto sy ny soratra ary ny Kolontsaina

24/01/2026 09:27 © Moov

Nomena voninahitra ny kolontsaina malagasy, tao Toamasina, omaly zoma 23 janoary. Tany an-toerana, nanolotra mari-boninahitra ho ana mpanakanto miisa 57 ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Gascar Fenosoa, notronin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kolonely Randrianirina Michaël.

Faritra atsinanana : manan-talenta

Faritra isan’ny hivoahana sy hivoarana mpanakanto amin’ny sehatra maro samihafa ny ao Atsinanana. Hita ao avokoa ny karazana kanto rehetra, toy ny mpanao sary hosodoko, mpamokatra sy mpikarakara mpanakanto, mpaka sary pika, mpamoron-kira, mpanao sary sokitra, mpitendry, mpandihy, mpanoratra, mpanao vakodrazana, mpanao sary, mpitantara angano, mpilalao an-tsehatra ary mpanao Slam.
Isan’ny olona mitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara hatrany, ary hita matetika amin’ny sehatra iraisam-pirenena ireo mpanakanto avy ao amin’ity faritra ity. Ny haingana indrindra ohatra dia ny nahazoan’i Denise, ny amboaran’ny andiany fahasivy ny AFRIMA – All Africa Music Awards, tamin’ity volana janoary ity. Manana ny maha-izy azy araka izany, ireto mpanakanto avy ao Toamasina ireto, ka rariny raha notolorana mari-boninahitra.

Mari-boninahitra : fankasitrahana

Nandritra ny roa taona no nanaovan’ireo mpisehatra ara-kolontsaina ao amin’ny Faritra Atsinanan'ny Nosy ny fangatahana teo anivon’ny Minisitera ny mba hisitrahan’izy ireo ity mari-boninahitra ity. Nivaly ny fangatahana ka mpanakanto miisa 57 nahitana mpihira, mpaka sary pika, mpanao gazety ara-kolontsaina, mpilalao sarimihetsika ary mpanoratra sy mpikabary no nisitraka izany. Miisa 36 amin’ireo no notolorana Commandeur de l’Ordre des Lettres et de la Culture, 16 nosalorana ny Officier de l’Ordre des Arts des Lettres et de la Culture, ary miisa 05 ny Chevalier de l’Ordre des Arts des Lettres et de la Culture.
Nambaran’ny Minisitra fa " rariny raha ankasitrahana ianareo mpisehatra ara-kolontsaina satria fanavaozana lehibe eo anivon’ny kolontsaina malagasy no himasoan’ny minisitera mpiahy ankehitriny ».
Marihina moa fa nahitana solon-tena nisitraka mari-boninahitra ihany koa ny avy amin’ireo distrika manodidina. Toy ny avy ao Brickaville, Toamasina faharoa, Vatomandry ary Mahanoro, ankoatra ireo avy ao Toamasina renivohitra.

Lire la suite

Articles Similaires