• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Aude
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fikarakarana ny fahasalamana : ahoana ny atao mba tsy ho lasa tafahoatra ?

04/02/2026 16:41 © Moov.Mg

Maro amintsika no efa tonga saina ny maha zava-dehibe ny fikarakarana ny fahasalamana sy manapa-kevitra ny hiroso amin’izany. Matetika nefa dia be loatra ny torohevitra sy fitsipika henjana momba ny sakafo, ny fanatanjahantena ary ny fomba fiaina arahana ka lasa mitarika rarintsaina. Ahoana àry ny atao handanjalanjana ny fikarakarana ny fahasalamana mba tsy ho lasa tafahoatra ?

Fikarakarana ny fahasalamana : zava-dehibe ny fahaizana mandanjalanja

Tsy midika ho fahalavorariana ny atao hoe salama. Ny vatan’olombelona dia natao hahay hifanaraka amin’ny toe-javatra rehetra fa tsy hoe ho voafehy mandrakariva. Ny sakafo ara-pahasalamana, ohatra, dia tsy voafetra amin’ny fifadiana sakafo sasany na amin’ny fanarahana fitsipika entitra. Mifototra amin’ny fihinanana sakafo isan-karazany, ny fahafantarana ny filàn’ny vatana ary ny fahafinaretana amin’ny fihinanana izy io. Izany hoe tsy manimba ny fahasalamana ny fihinanana sakafo matsiro tsindraindray, raha toa ka mahay mandanjalanja ny sakafo amin’ny ankapobeny.
Toy izany ihany koa ny fanatanjahantena. Zava-dehibe amin’ny fikoloana ny fahasalamana ny fampihetsiketseham-batana matetika. Mety hanimba ny vatana sy hanakivy ny saina kosa nefa ny fihoaram-pefy. Ny fandehanana an-tongotra, ny dihy, ny fikarakarana zaridaina, ny fanaovana fanatanjahantena tiana… dia efa ampy hanatsarana ny fahasalamana, indrindra raha ankafizina ny fanaovana izany.

Tandremana ny fitiavana diso te hifehy ny tena

Indraindray isika dia te hanatanteraka antsakany sy andavany ny fikarakarana ny fahasalamana. Rehefa diso tafahoatra nefa io fikirizana sy fifehezana mafy ny tena io dia mety hiteraka voka-dratsy. Ny fanisana lava ny « calorie » ny sakafo hoanina, fanaraha-maso tafahoatra ny lanja, fanamelohan-tena vao misy hadisoana kely amin’ny fikarakarana ny fahasalamana… dia mety hanimba ny fahasalamana ara-tsaina. Ny adin-tsaina sy ny tebiteby miverimberina aterak’izany dia misy fiantraikany mivantana amin’ny vatana.
Tafiditra anatin’ny fikolokoloana ny fahasalamana ny fanekena fa miova ny vatana arakaraka ny fotoana, ny toe-javatra iainanana sy ny fihetseham-po. Zava-dehibe ny fianarana matoky ny tena sy ny fanekena hoe tsy afaka ho fehezina avokoa ny zavatra rehetra. Ny fahatakarana izany dia manampy amin’ny fametrahana fahazarana tsara ho an’ny vatana sy ny saina.

Fomba fiaina voalanjalanja sy feno fitiavana ny tena

Ny fikarakarana ny fahasalamana tsy amin’ny fihoaram-pefy dia mifototra amin’ny fomba fiaina azo tanterahina maharitra. Tsy voatery ovaina tampoka ny fomba fiaina. Ny tokony atao dia ny mampiditra tsikelikely fahazarana tsara, toy ny hoe misotro rano tsara, mampihetsiketsika ny vatana isan’andro, mihinana sakafo isan-karazany, matory tsara ary maka fotoana hialana sasatra.
Ny fitiavana sy ny fanomezana lanja ny tena no isan’ny lakilen’ny fahasalamana. Ilaina ny manaiky fa tsy misy ny fahalavorariana. Enoina sy arahana ny gadona mety amin’ny tena ary ankasitrahana hatrany ny ezaka atao sy vita. Izany dia manampy betsaka amin’ny fananganana tsikelikely fifandraisana tsara eo amin’ny vatana sy ny saina.

Lire la suite

Articles Similaires