• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Fahandroana sakafo maoderina : Mitohy ny dingana hampiroboroboana ny « E-Cooking »

06/02/2026 15:51 © Moov

Nihaona tao amin’ny Carlton Anosy, omaly, 5 febroary, ireo mpisehatra amin’ny fahandroana sakafo amin’ny alalan’ny herinaratra eto Madagasikara, nandritra ny atrikasa nasionaly, izay ao anatin’ny fandaharan’asa Modern Energy Cooking Services (MECS).

Fototra iorenan’ny politikan’ny E-Cooking

Tafiditra ao anatin’ny ezaka fampiroboroboana ny fampiasana angovo madio sy maharitra ity atrikasa ity, izay mikendry indrindra ny fametrahana fototra ara-teknika sy drafitra matanjaka hanohanana ny politikan’ny angovo eto Madagasikara. Anisan’ny tanjona lehibe ny handrafitra sy hanamafy ireo antontan-kevitra stratejika ilaina amin’ny famolavolana tondrozotra nasionaly ho fampiroboroboana ny E-Cooking manerana ny Nosy. Ity fomba fanao ity moa dia mandrafitra ny pratika rehetra hahafahana mahandro sakafo amin’ny alalan’ny herinaratra.
Nodinihina nandritra ny fihaonana ny fomba hanambarana ny fahandroana sakafo amin’ny herinaratra miaraka amin’ireo vahaolana hafa avy amin’ny angovo madio. Izany no natao mba ho setrin’ny fanamby sedrain’ny tokantrano maro, indrindra ny fiankinan-doha amin’ny kitay sy arina. Dingana lehibe ity atrikasa ity amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana, ny sehatra tsy miankina ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.

Fiaraha-miasa ho amin’ny fampiharana maharitra

Tsiahivina fa ny E-Cooking dia mikendry ny fahandroan-tsakafo amin’ny alalan’ny herinaratra, amin’ny fampiasana fitaovana toy ny fatana elektrika, « plaque à induction » ary « rice cooker », izay heverina ho madio sy mahomby kokoa. Tarigetra amin’izany ny fampihenana ny fandotoana ny tontolo iainana sy ny fiarovana ny ala.
Miara-misalahy amin’ny fanatanterahana sy fampiroboroboana ity tetikasa ity ny AIDES, eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo. Efa maro ireo hetsika notanterahin’iz ireo hampiroboroboana ity fomba fanao iray ity.
Antenaina fa hitarika amin’ny fametrahana politika mazava sy azo tanterahina ny vokatra avy amin’ity atrikasa ity, ka hahafahan’ny E-Cooking ho lasa vahaolana maharitra, manatsara ny fiainan’ny tokantrano sady miaro ny tontolo iainana eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires