CCI Ivato : Manavao ny hasiny ny Zandarimariam-pirenena amin’ny alalan’ny fikaonan-doha
Notanterahina, androany, 9 febroary, teny amin’ny CCI Ivato, ny fikaonan-doha ho amin’ny fanavaozana ny Zandarimariam-pirenena. Tanjona lehibe no nanatanterahana izany dia ny hiverenan’ny hasina sy ny lanjan’ity andrim-panjakana iray ity.
Fanarenana ifotony
Taorian’ny fikaonan-dohan’ny Tafika, dia anjaran’ny Zandarimaria indray no nanatanteraka izany, mba hirosoana amin’ny tena fanovana. Ao anatin’ny fanavaozana ny Repoblika i Madagasikara, amin’izao fotoana izao, ka mandray anjara mavitrika amin’izany ny Zandary, amin’ny alalan’ny fanavaozana ifotony ny ao anatin’ny andrim-panjakana. Mifanindran-dalana amin’ny vinan’ny fitondrana, araka izany, ity hetsika ity. Nilaza mantsy ny Minisitra delege, misahana ny Zandarimariam-pirenena fa « fanarenana ny lesoka, mifanaraka amin’ny toromarika avy amin’ny Governemanta no hatao, mandritra ity fikaonan-doha ity », hoy ny Général de division Marima Bama, nandritra ny fandraisam-pitenenany.
Tetsy andaniny dia nilaza ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, tamin’ny fandraisam-pitenenany, fa « tolokevitra matotra ahafahana mitondra fiovana mivaingana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena no andrasana ». Voalazany mazava tao anatin’izany ny fametrahana ny hasin’ny fanjakana, ny ady amin’ny kolikoly sy ny gaboraraka samihafa. Mitovy araka izany ny tanjon’ny Fitondrana ankehitriny sy ny an’ny Zandary, izay tafiditra tao anatin’ny lohahevitry ny dinika hoe, « hampanjakana ny fandriam-pahalemana, hiarovana ny vahoaka sy ny fananany, ary ny famerenana indray ny fitokisan'ny vahoaka ». Nanamafy ny Filoha fa tokony hanakaiky hatrany ny vahoaka ny zandarimariam-pirenena, hampiseho ny mangarahara, hanome tamberin'andraikitra ary hanaja ny soatoavina mahamalagasy.
Fiaraha-miasa amin’ny tanora sy ny fiarahamonim-pirenena
Atrikasa lehibe miisa 8 no nakana hevitra, hahatongavana amin’io tanjona io, tamin’ity androany ity. Tao anatin’izany ny fanatsarana ny lafiny mahaolona, ny famolavolana paikady amin’ny serasera, ny fanavaozana ireo didim-panjakana mifehy ny zandarimariam-pirenena izay tsy mbola niova hatramin’ny taona 1960, ny fandrindrana ny rafi-pibaikoana mba ho tonga malaky ny zandary rehefa mila azy ny vahoaka, sy ny maro hafa.
Tao anatin’izany dia tsy niasa irery ireto Zandary ireto fa nalaina ihany koa ny hevitry ny olon-tsotra. Nandray anjara anaty vaomiera, tamin’ireo atrikasa, ny solontenan’ny tanora, ny solontenan’ny firaisamonim-pirenena, ny solontenan’ireo jeneraly efa misotro ronono ary ny mpanao gazety. Hisy moa ny fanambarana ny dinika izay natao, mba hahafahana mandrafitra indray, ny politika vaovaon’ny Zandarimariam-pirenena.




