« Poil incarné » rehefa avy manao « épilation » : ny tsara fantatra mikasik’izany
Ny « poil incarné », na volo tsy mivoaka hoy isika, dia ireo volo izay tsy mitombo eny ivelany araka ny tokony ho izy ka lasa mibahan-toerana eo ambanin’ny hoditra. Rehefa avy manala volo amin’ny alalan’ny « épilation » na fiaratana izy ireo no miseho. Manelingelina, ary mety manaintaina na manonitra izy ireny raha tsy voatandrina. Inona ary ireo antony mahatonga ny « poil incarné » ? Ahoana ny atao hikarakarana sy hisorohana azy ireny ?
Ireo antony mety mahatonga ny « poil incarné »
Maro ireo antony mety mahatonga ny « poil incarné » rehefa avy manao « épilation » na rehefa avy miaratra :
-Fanongotana ny maika ny volo na amin’ny fomba mahery loatra. Mety manimba ny « follicule » ny fitaovana toy ny « cire » sy ny hareza,
-Manala volo eo amin’ny hoditra maina. Raha tsy misy hamandoana ny hoditra dia mora manakana ny fitombon’ny volo vao haniry,
-Volo amin’ny vatana matevina. Mora mihodina ao ambanin’ny hoditra izy ireo rehefa maniry,
-Tsy fanadiovana tsara aorian’ny « épilation » na fiaratana ka lasa misy bakteria na loto eo amin’ny hoditra izay mety hiteraka fivontosana.
Ahoana ny fomba hamantarana « poil incarné » ?
Mora fantatra ny fisehon’ny « poil incarné » na volo tsy mivoaka :
-Fivontosana kely mena misy ranon-javatra eo amin’ny hoditra natao « épilation » na noaratana,
-Hoditra mafy sy matavy kely eo amin’ny toerana nanaovana « épilation »,
-Fahasosorana, fanaintainana, na mangidihidy rehefa kitihana ilay fivontosana na hoditra mafy kely,
-Mety misy volo kely tazana ao ambanin’ilay faritra manaintaina.
Ahoana ny fisorohana sy fikarakarana azy ?
Mba hisorohana ny volo tsy mivoaka sy hikarakarana azy raha sendra mitranga izany dia :
-Tsy sintomina na ezahana amin’ny tanana ilay volo raha mbola tsy mitsangana tsara,
-Diovina tsara amin’ny rano sy savony malefaka ny hoditra alohan’ny hanaovana « épilation » na hiaratana,
-Rehefa avy manala volo dia manao « exfoliation » amin’ny « gommage » malefaka indray mandeha na indroa isan-kerinandro mba hanesorana ny hoditra maty sy hanampiana ny volo maniry hivoaka,
-Hamandinina amin’ny « crème » na menaka ny hoditra mba tsy ho makiana.
Raha misy fivontosana mampanahy eo amin’ny hoditra rehefa avy nanao « épilation » na niaratra dia mila manantona mpitsabo mba hanadio azy amin’ny fomba ara-pahasalamana.




