Vehivavy: antony mahatonga fanaintainana ambany kibo
Soritr’aretina fahita matetika amin’ny vehivavy ny fanaintainana amin’ny faritra ambany kibo. Mety ho tsotra sy tsy mampanahy izy io, nefa koa mety ho fambaran’aretina mila fitsaboana. Ny fahalalana ny antony mety mahatonga azy io dia manampy hahafantarana ny tokony hatao sy ny fotoana tokony hanatonana dokotera.
Fanaintainana ambany kibo amin’ny vehivavy : antony mifandray amin’ny taovam-pananahana
Matetika ny fanaintainana amin’ny valahana mahazo ny vehivavy dia avy amin’ny taovam-pananahana. Anisan’ireo antony fahita ny :
-Fanaintainana mandritra ny fadimbolana. Io no antony mahazatra indrindra. Miseho amin’ny fiandohan’ny fadimbolana izy io ary mety ho malefaka na mafy arakaraka ny olona.
-Fotoana famotsorana atody (ovulation). Misy vehivavy mahatsapa fanaintainana kely amin’io fotoana io, izay antsoina hoe fanaintainana mandritra ny « ovulation ».
-Aretina ao amin’ny taovam-pananahana. Ny aretina ao amin’ny taovam-pananahana dia mety miteraka fanaintainana miaraka amin’ny fivoahan-javatra tsy ara-dalàna, tazo, na fahatsapana mavaivay.
-« Endométriose ». Aretina maharitra izay miseho amin’ny fisian’ny sela mitovy aminy izay mitombo ao ivelan’ny tranon-jaza. Miteraka fanaintainana mafy izy io, indrindra mandritra ny fadimbolana.
-« Kystes ovariens ». Indraindray tsy misy soritr’aretina izy ity, fa mety hiteraka fanaintainana tampoka ihany koa, indrindra raha vaky.
Antony avy amin’ny fandevonan-kanina
Mety avy amin’ny rafitra fandevonan-kanina (système digestif) ihany koa ny fanaintainana ao amin’ny faritra ambany kibo :
-Olana amin’ny tsinay. Ny fitohanana, ny « gaz » ao an-kibo, na ny « intestin irritable » dia mety miteraka fanaintainana.
-« Appendicite ». Matetika dia manomboka eo amin’ny manodidina ny foitra ny fanaintainana ary midina mankany amin’ny ilany havanana amin’ny ambany kibo. Toe-javatra mila fitsaboana maika izy io.
-Aretina amin’ny fandevonan-kanina. Mety hiteraka fanaintainana miaraka amin’ny fivalanana sy tazo.
Antony avy amin’ny « système urinaire »
Ny rafitra fivoahan’ny pipy dia mety ho isan’ireo antony mahatonga fanaintainana ao ambany kibo ihany koa eo amin’ny vehivavy :
-« Infections urinaires » (cystite). Miseho amin’ny fanaintainana amin’ny ambany kibo, fahatsapana mavaivay rehefa mipipy, ary filàna mipipy matetika.
-« Calcul urinaire » na fisian’ny vato ao amin’ny taova mandrafitra ny « système urinaire », toy ny voa, ny tatavia…Miteraka fanaintainana mafy izay mety hiparitaka mankany amin’ny ambany kibo izy io.
Fitondrana vohoka sy ny olana mety hitranga
Ho an’ny vehivavy afaka mitondra vohoka, mety avy amin’ny fitondrana vohoka ny fanaintainana.
-Fitondrana vohoka ara-dalàna. Mety hisy fanaintainana malefaka amin’ny fiandohany noho ny fiovan’ny vatana.
-Fitondrana vohoka ivelan’ny tranon-jaza (grossesse extra utérine). Toe-javatra maika izy io. Miteraka fanaintainana mafy amin’ny ilan-kibo, miaraka amin’ny fandehanan-dra tsy ara-dalàna.
Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo ?
Tokony hitady fitsaboana haingana ny vehivavy mahatsapa fanaintainana ao ambany kibo raha :
-Mafy na tampoka ny fanaintainana,
-Misy tazo (manavy),
-Misy fandehanan-dra tsy ara-dalàna,
-Mandoa tsy mijanona,
-Mahatsiaro ho fanina na malemy.




