Fitrandrahana tsy ara-dalàna : Olona 1 500 noroahina tao amin’ny faritra arovana Ambalanirana
Nidina ifotony tao amin’ny faritra arovana Ambalanirana, distrikan’i Soanierana Ivongo, ny manampahefana, ny herinandro lasa teo. Anton-dian’izy ireo tamin’izany ny hampitsahatra ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany tsy ara-dalàna tao anatin’io faritra arovana io.
Fitrandrahana tsy ara-dalàna manimba tontolo iainana
Tao anatin’ny faritra arovana Ambalanirana, ao amin’ny fokontany Antanandava, kaominina ambanivohitr’i Manompana, distrikan’i Soanierana Ivongo dia nitombo hatrany ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany tsy ara-dalàna. Hampitsaharana izany asa manimba ny faritra izany no anton’ny fidinana ifotony natan’ireo manampahefana. Naharitra efatra andro izany ary nahitana ny fandraisan’anjaran’ny sampan-draharaha maro sivily sy miaramila ary ireo mpitandro filaminana. Nitarika ny delegasiona tany an-toerana ny lehiben’ny distrikan’i Soanierana Ivongo, izay sady filohan’ny OMC ihany koa. Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny hetsika ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany Analanjirofo, izay niara-niasa tamin’ny manampahefana amin’ny fanatanterahana ny lalàna mifehy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany.
Araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana dia nahatratra 1 500 teo ho eo ny isan’ireo olona nitrandraka tao amin’io faritra io. Tao anatin’ny faritra arovana anefa no nanaovan’izy ireo izany, ka heverina ho fanitsakitsahana ny lalàna mifehy ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany.
Fanesorana ireo mpitrandraka sy fanamafisana ny fanaraha-maso
Manoloana ireo zavatra hita ireo dia nandidy ireo mpitrandraka tsy ara-dalàna hiala ao anatin’ny faritra arovana ao anatin’ny 48 ora ny manampahefana. Natao izany mba hiarovana ny tontolo iainana sy hampiharana ny lalàna manan-kery. Araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra dia nanaiky ny fandaminana ireo olona voakasika ka niala tao amin’ilay faritra arovana araka ny toromarika nomen’ny manampahefana.
Taorian’ny fanesorana azy ireo dia napetraka eo ambany fiambenana sy fanaraha-mason’ny mpitandro filaminana ilay toerana mba hisorohana ny fiverenan’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna. Nambaran’ny manampahefana ihany koa fa mbola hitohy ny fitsirihana sy ny fanaraha-maso eny an-toerana, mba hiantohana fa voahaja ny lalàna ary tsy hiverina intsony ny tranga mitovitovy amin’izany ao anatin’ny faritra arovana.