Fiainana maha-reny sy havizanana: ireo vahaolana tsotra afaka manampy
Andraikitra mitondra hafaliana nefa sady sarotra tokoa ny maha-reny. Ankoatra ny fikarakarana ny ankizy dia eo ihany koa ny raharaha ao an-trano, ny asa, ary indraindray ny adidy amin’ny fianakaviana, ka rariny tokoa raha mahatsiaro reraka ny reny. Eto Madagasikara moa dia manampy trotraka ny hasarotan’ny fiainana ka vao maika mavesatra sy mamizaka ny andraikitra maha-reny. Inona ary ny vahaolana tsotra afaka manampy ny reny Malagasy mahatsapa reraka lalandava ?
Inona no mahatonga ny reny ho reraka lalandava ?
Maro ny antony mahatonga ny reny Malagasy hahatsiaro tena ho reraka lalandava:
-Tsy fahampiana torimaso: indrindra raha mbola kely ny zaza,
-Adin-tsaina sy eritreritra be loatra: mieritreritra zavatra maro tsy an-kijanona, indrindra raha miaina anaty fahasahiranana,
-Sakafo tsy ampy otrikaina,
-Olana ara-bola na olana ao an-tokantrano,
-Tsy fisian’ny fotoana ho an’ny tena satria sady mikarakara zaza sy tokantrano no miasa.
Ny fahafantarana ireo antony mamizaka ny reny ireo dia efa dingana lehibe mankany amin’ny fanatsarana. Mba hampihena ny harerahana lalandava amin’ny maha-reny dia misy ireo torohevitra tsotra tsara ampiharina amin’ny andavanandro :
Atao laharam-pahamehana ny torimaso
Sarotra amin’ny reny indraindray ny matory, indrindra rehefa mbola mitaiza kely. Ny fatoriana kely nefa dia efa manampy hampihenana ny fahatsapana harerahana. Azo atao ohatra ny :
-Miezaka matory 20-30 minitra rehefa misy fotoana,
-Tsy mijery finday na efijery rehefa alohan’ny hatory,
-Mangataka fanampiana mba hahafahana miala sasatra.
Mihinana sakafo manome hery
Manampy betsaka hamerenana ny hery sy hisorohana ny havizanana ny fihinanana sakafo be otrikaina sy ara-pahasalamana. Isan’ireo sakafo tsara hoanin’ny reny mahatsapa tena reraka lalandava ny sakafo toy ny : vary amin’anana, voamaina, voankazo, atody, trondro, hena… Ferana arak’izay azo atao ny sakafo voahodina sy ny kiendiendy.
Tsy misalasala mangataka fanampiana
Tsy voatery hanao irery ny zavatra rehetra ny reny. Mba tsy ho trotraka sy rera-dava dia tsy tokony hisalasala angataka fanampiana :
-Angatahana hanampy bebe kokoa amin’ny raharaha ao an-trano sy ny adidy amin’ny fianakaviana ny vady,
-Ampanaovina ny raharaha madinika ny ankizy,
-Raisina am-pitiavana ny fanampian’ny fianakaviana na ny mpiara-monina,
-Raha misy fahafahana dia maka mpanampy an-trano.
Maka fotoana ho an’ny tena
Mbola maro tokoa ny reny Malagasy tsy mahafantatra ny lanjan’ny fakana fotoana ho an’ny tena. Ny eny amin’ny fiarahamonina ihany koa dia betsaka ny mpitsikera sy mpanakiana ny reny miezaka ny mikarakara tena sy miala voly. Fomba iray tena manampy hampihenana ny harerahana ara-tsaina sy ara-batana nefa ny fanaovana izany. Tsy mila mandany fotoana na vola ary na dia 10-15 minitra isan’andro aza dia efa manampy. Azo atao ohatra ny :
-Mandro am-pilaminana,
-Mihaino hira,
-Mandeha mitsangatsangana kely,
-Miresaka amin’ny namana.
-Olona ianao, fa tsy reny fotsiny.
Atao tsotra ny fiainana andavanandro
Tsy voatery ho lavorary ny zava-drehetra. Ilaina ny mankasitraka sy mankafy ny fiainana fa tsy variana miasa saina mitady ny lafatra. Mitarika harerahana ara-tsaina sy ara-batana eo amin’ny reny ny rarintsaina ateraky ny fiferetan’aina amin’ny zavatra heverina tsy ampy na tsy lavorary amin’ny fiainana. Mila manaiky hoe tsy voatery hadio sy hilamina tanteraka foana ny trano, tsy olana ny mihinana sakafo tsotsotra…




