Fahasalamana : ‘ndeha ho resahana ny mikasika ny « douleur fantôme »
Tranga mahakasika olona maro nefa tsy dia resahana firy ny « douleur fantôme ». Izy io dia fahatsapana fanaintainana toy ny avy amin’ny faritry ny vatana izay tsy eo intsony, toy ny rantsam-batana notapahana, tranon-jaza nesorina… Taloha dia noheverin’ireo mpikaroka fa zavatra foronon’ny saina aorian’ny fandidiana fotsiny izy io. Taty aoriana nefa dia manaiky ireo mpikaroka fa fahatsapana tena misy, avy amin’ny atidoha sy ny tadin'ny hazon-damosina izy io. Araho eto ny andininy mikasik’izany.
Inona no atao hoe « douleur fantôme » ?
Maro amin’ireo marary avy notapahana rantsam-batana no mahatsapa toy misy mavaivay, volivoly, krampy na fanaintainana mafy eo amin’ilay rantsana nesorina. Mety hiseho avy hatrany na herinandro vitsy aorian’ilay fandidiana ireo fahatsapana ireo, na koa afaka volana maro aty aoriana. Mety mandalo na maharitra izy io ary miovaova ny hamafiny. Azo sokajiana ho karazany roa ireo fahatsapana aorian’ny fanapahana rantsam-batana ireo :
-« Sensation fantôme » : mahatsapa toy ny mbola ao ilay rantsam-batana nesorina, fa kosa tsy misy fanaintainana manokana tsapa.
-« Douleur fantôme » : mahatsapa fanaintainana amin’ny faritra manokana eo amin’ilay rantsam-batana efa tsy ao intsony.
Ny antony sy ny « mécanisme »
Ny « douleur fantôme » dia mifandray amin’ny fahaizan’ny atidoha miova sy ny « système nerveux ». Aorian’ny fanapahana ny rantsam-batana dia :
-Mandefa « signaux » ny « nerfs périphériques » eo amin’ny faritra sisa tavela amin’ilay rantsam-batana (moignon).
-Ny atidoha, indrindra ny « cortex somatosensoriel », dia mitahiry « sarintsarin’ny vatana » talohan’ilay fandidiana ary mbola manohy mandeha « signaux » mankany amin’ilay rantsam-batana tsy ao intsony.
-Ny tsy fitovian’ny famantarana azo sy ny tsy fisian’ny rantsam-batana no mety miteraka fanaintainana.
Misy ihany koa ireo fikarohana manambara fa isan’ireo anton-javatra mety mampitombo ny « risque de douleur fantôme » ny : fanapahana tampoka (traumatisme), fanaintainana efa teo alohan’ny fanesorana, ary aretina sasany « neurologiques ».
Ny fitsaboana azo atao
Mbola sarotra hatreto ny fitsaboana ny « douleur fantôme » ary miompana amin’ny fomba maro ny fanatanterahana izany :
-Fanafody: fanafody manala fanaintainana, « anticonvulsivants » (ohatra ny gabapentine), ary « antidepressants » sasany mba hampihenana ny fanaintainana « neuropathique ».
-Fampiofanana ara-batana: fanentanana ny « moignon », fanorana, na fampiasana « prothèse » mety.
-Fanaovana fitsaboana amin’ny fitaratra (miroir-thérapie): fomba vaovao miompana amin’ny fijerena amin’ny fitaratra ny rantam-batana tsy voakasika ilay marary mba hamitahana ny atidoha sy mety hampihena ny fanaintainana.
Miaina miaraka amin’ny « douleur fantôme »
Mety hanakorotan-tsaina ny « douleur fantôme » ary mety misy fiantraikany amin’ny kalitaon’ny fiainana sy ny torimaso. Zava-dehibe ny fahafantarana fa mifototra amin’ny « système nerveux » izy io fa tsy hoe zavatra foronon’ny saina fotsiny. Ny fanohanana ara-tsaina sy ny fampahafantarana ny marary dia manampy betsaka amin’ny fiainana miaraka amin’io toe-javatra io isan’andro. Mazava ho azy fa tsy azo atao tsirambina ny fanantonana mpitsabo na ny dokoterana nandidy raha mahatsapa io « douleur fantôme » io.




