• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Laboratoires Novalac
Image
Reny&Zaza

Ireo aretina fahita mandritra ny fitondrana vohoka sy fisorohana izany

13/04/2026 10:06 © Moov.Mg

Fotoana manokana mitondra fiovana maro eo amin’ny vatana sy ny fihetseham-pon’ny vehivavy ny fitondrana vohoka. Miova ny hormonina, somary mihena ny hery fiarovana, ary miova ny fiasan’ny taova sasany. Noho izany dia mety ho mora tratran’ny aretina sasany ny bevohoka. Mora tsaboina ny ankamaroan’ireo aretina ireo rehefa voaray an-tanana ara-dalàna. Misy ihany koa nefa ireo mety hitera-doza eo amin’ny reny sy ny zaza. Araho eto àry ireo aretina fahita matetika mandritra ny fitondrana vohoka sy ny fomba hisorohana izany.

Aretina fahita mandritra ny fitondrana vohoka : ny « infections urinaires »

Ny « infections urinaires » dia isan’ny aretina tena fahita mandritra ny fitondrana vohoka, indrindra ny « cystite ». Ny fanindrian’ny zaza ao an-kibo ny tatavian’ny bevohoka ka mahatonga ny pipy hijanona ela ao anatiny no mampitombo ny bakteria mitarika ny aretina. Mety tsy hisy soritr’aretina mazava moa ny « infections urinaires » amin’ny voalohany nefa kosa mety hiteraka fahasarotana raha tsy voatsapo, toy ny fiparitahan’ny aretina mankany amin’ny voa.
Ireo soritr’aretina mety hiseho : fanaintainana na mavaivavy rehefa mipipy, mipipy matetika nefa kely fotsiny no mivoaka, manaintaina ao ambany kibo, indraindray manavy.
Mba hisorohana ny « infections urinaires » mandritra ny fitondrana vohoka dia mila misotro rano betsaka isan’andro, tsy mitazona pipy maharitra, mipipy avy hatrany aorian’ny firaisana ara-nofo, mitandrina amin’ny fahadiovana, fadiana ny mampiasa vokatra manimba ny « flore vaginale ».

Ny aretina « toxoplasmose »

Ny « toxoplasmose » dia aretina avy amin’ny katsentsitra (parasite) mety hita amin’ny hena tsy masaka tsara, legioma tsy voasasa, na amin’ny tain-tsaka. Raha tratran’io aretina io ny bevohoka dia mety hisy fiantraikany amin’ny fivoaran’ny zaza ao an-kibo izany, indrindra amin’ny atidoha sy maso.
Matetika dia tsy dia misy soritr’aretina miharihary hamantarana ny « toxoplasmose » mandritra ny fitondrana vohoka ka izany no antony mila hitandremana manokana.
Mba hisorohana ity aretina fahita amin’ny bevohoka ity dia mila atao masaka tsara ny hena rehetra hoanina, sasana tsara ny voankazo sy ny legioma, tsy mikarakara ny « litière » na ny toerana fangerezan’ny saka, sasana matetika ny tanana, indrindra alohan’ny hisakafo.

Ny aretina « listériose »

Aretina azo avy amin’ny bakteria vokatry ny fihinanana sakafo maloto na ratsy tahiry ny « listériose ». Na dia tsy fahita firy aza izy io dia mety hampidi-doza, indrindra ho an’ny vehivavy bevohoka sy ny zaza ao an-kibo.
Anisan’ireo soritr’aretina mety hitranga ny : tazo, fanaintainan’ny hozatra, harerahana, indraindray maloiloy na manaintaina ny vavony.
Isan’ny fomba fisorohana ny aretina « listériose » ny tsy fihinanana ronono tsy « pasteurisé, ny fifadiana sakafo manta toy ny « charcuteries », ny fanadiovana tsara hatrany ny vata fampangatsiahana, ny fitandremana ny daty farany fihinanana amin’ny sakafo.

Gripa sy aretina amin’ny taovam-pisefoana

Ny gripa dia aretina avy amin’ny viriosy mety hiteraka fahasarotana bebe kokoa amin’ny vehivavy bevohoka satria mihena ny hery fiarovan’ny vatana.
Ny soritr’aretina fahita sy tokony ho tandremana ny tazo, kohaka sy sery, fanaintanana amin’ny vatana, havizanana be tsy mahazatra.
Ny fisorohana azo atao dia ny fanaovana vaksiny ny gripa asain’ny mpitsabo atao, tsy manatona olona marary, sasana matetika amin’ny savony ny tanana, miezaka tsy mandeha amin’ny toerana be olona mandritra ny vanim-potoana fiparitahan’ny gripa, atao hazon-drivotra tsara ny trano.

« Mycose vaginale »

Isan’ny aretina mahavoa vehivavy maro mandritra ny fitondrana vohoka ny « mycose vaginale ». Aretina vokatry ny « champignon » ao amin’ny faritry ny fivaviana izy io ary matetika mahavoa ny bevohoka noho ny fiovan’ny hormonina. Ny « candidiasis » no isan’ireo karazana « mycose vaginale » fahita. Izy io dia mety miteraka tsy fahazoana aina lehibe sy mampisy « perte ».
Anisan’ny soritr’aretina mety hiseho ny fahatsapana mangidihidy amin’ny faritry ny fivaviana, misy zavatra fotsy (perte) tsy mahazatra mivoaka, « irritation » sy fahamainana amin’ny fivaviana.
Anisan’ny fisorohana azo atao ny fanaovana atin’akanjo landihazo sy malalaka, tsy manao akanjo tery na mando ela, fadiana ny mampiasa vokatra manitra be amin’ny faritry ny elakelam-pe.

Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo ?

Zava-dehibe ny manatona mpitsabo avy hatrany mandritra ny fitondrana vohoka raha misy:
-Tazo tsy mety miafana,
-Fanaintainana tsy mahazatra,
-Pipy misy rà na mavaivay be,
-« Perte » tsy ara-dalàna,
-Harerahana tafahoatra na soritr’aretina maharitra.
Ny fitiliana mialoha sy ny fitsaboana haingana dia miaro ny reny sy ny zaza ao an-kibo.

Lire la suite

Articles Similaires