Zaza tsy tia mandeha mianatra : ahoana ny fomba hanentanana azy ?
Maro ny ray aman-dreny miasa saina manoloana ny zanany tsy liana na tsy tia mandeha mianatra. Maro ireo antony mety mahatonga izany, saingy misy ihany ireo fomba azo ampiharina hanampiana ny zaza hiverina hankafy fianarana. Araho eto ny andinindininy mikasik’izany.
Zaza tsy tia mandeha mianatra : fantarina ny antony mety mahatonga izany
Alohan’ny hanentanana ny zaza ho tia mandeha mianatra dia zava-dehibe ny fahatakarana ny antony tsy hitiavany izany. Misy fahasahiranana ve izy amin’ny fianarana ? Tsy matoky tena ve izy ? Misy olana amin’ny mpampianatra na amin’ny namana? Sa leo fotsiny izy ao an-dakilasy? Ny fifampiresahana am-pitoniana aminy sy ny tsy fitsarana azy dia afaka manampy hahafantarana ny tena fototry ny olana. Ilaina io dingana io hitadiavana ny fomba mahomby hanentanana azy indray hazoto handeha hianatra.
Omena lanja ny ezaka fa tsy ny vokatra irery ihany
Isan’ny antony tsy mampazoto ny zaza handeha hianatra ny tahotry ny tsy fahombiazana. Manahy izy sao ho ratsy ny vokatra amin’ny fanadinana ka handiso fanantenana na ho bedin’i Dada sy Neny. Mba handrisihana azy dia ilaina ny mankasitraka ny ezaka ataony, na dia kely aza, fa tsy mifantoka amin’ny naoty fotsiny ihany. Manampy azy hanana fahatokisan-tena sy hiezaka hatrany ny fiderana sy ny fanohanana azy amin’ny fotoana rehetra.
Ampifandraisina amin’ny fiainana andavanandro ny fianarana
Matetika ny ankizy dia manontany hoe inona no ilainy ireo zavatra ianarany any am-pianarana. Mba hitarihana ny saina sy handrisihana azy ho tia fianarana dia tsara raha ezahana ampifandraisina amin’ny fiainana andavanandro ny lesona mba hatakarany mora kokoa ny lanjan’ireto farany. Ohatra, azavaina aminy fa azo ampiasaina amin’ny fitantanana ny vola ny kajy sy ny matematika, ny fianarana ny « science naturelle » dia manampy hahafantarana ny mikasika ny vatana sy fikoloana ny fahasalamana…
Manoro azy fomba fianarana lesona samihafa
Samy manana ny fomba fianarany ny zaza tsirairay. Misy ireo tia mijery, misy tia mihaino, ary misy ireo tia mamerina an-tsoratra na mianatra amin’ny tanana. Rehefa mbola kely ny ankizy dia mety mbola tsy hainy mazava ny fomba fianarana lesona mety aminy kokoa. Anjaran’ny ray aman-dreny ny manoro azy fomba fianarana isan-karazany mba hahafahany misafidy izay mety aminy. Mazoto sy liana kokoa ny zaza mianatra lesona rehefa hitany ny fomba fianarana mora hahaizany sy hitadidiany ny lesony.
Mitazona fifandraisana tsara amin’ny sekoly
Zava-dehibe ny fiaraha-miasa amin’ny mpampianatra sy ny ray aman-dreny, indrindra ho an’ireo zaza tsy tia mandeha mianatra. Ny fifampiresahana eo amin’ny roa tonta dia manampy amin’ny fikarohana ny vahaolana mifanaraka amin’ny olana sedrain’ny zaza.
Hajaina ny hafainganam-pandehan’ny fivoarany
Tsy tokony ampitahaina amin’ny hafa ny zaza, satria samy manana ny fandrosoany manokana ny tsirairay. Ny « pression » be loatra dia mety hampitombo ny tsy fitiavana mandeha mianatra ary mety hahatonga fahaketrahana eo amin’ny ankizy mihitsy aza. Ny fanohanana am-pitiavana sy ny faharetana kosa dia manampy azy hivoatra tsikelikely.



