Fomba fanamboarana « crème » natoraly mamelona ny volo
Mila fikarakarana sy fanamandinana tsara ny volo maina, mora tapaka na tsy mangirana. Ny « crème » fikarakarana volo natoraly izay amboarina ao an-trano dia safidy azo antoka noho izy io tsy misy akora simika manimba toy ny « silicone » sy « parabène ». Ity àry misy « recette » tsotra hanamboarana « crème » natoraly mamelona ny volo azo atao.
Ny tombontsoa an’ity « crème » fikarakarana volo ity
Ity « crème » fikarakarana volo vita amin’ny akora natoraly ity dia manampy amin’ny :
-famelomana na fanomezana sakafo lalina ny volo,
-fampihenana ny volo mikorontana (frisottis),
-fanamorana ny fibangoana ny volo,
-fiarovana amin’ny fahatapahan’ny volo,
-fanomezana hangirana voajanahary ny volo.
Mety indrindra izy ity ho an’ny volo maina, volo mikorontana, volo olioly na volo simba.
Ny akora ilaina amin’ny fanamboarana azy
-Beurre de karité 2 sotro fihinanana,
-Menaka voanio na diloilo coco 1 sotro fihinanana,
-Menaka kinana na menaka zavoka 1 sotro fihinanana,
-Ditin’ny vahona 2 sotro fihinanana,
-Huile essentielle de lavande na ylang-ylang 5 hatramin’ny 10 mitete (tsy voatery).
Ireo dingana amin’ny fanaovana azy
Atsonika amin’ny alalan’ny « bain-marie » ny beurre de karité sy menaka voanio mandra-pahatonga ho ranoka. Bataina teo ambony afo dia arotsaka ny menaka kinana na ny menaka zavoka. Afangaro tsara.
Rehefa efa somary mangatsiaka ilay fangaro dia alefa tsikelikely ao ny ditin’ny vahona sady kapohana amin’ny « fouet » mba ho lasa « crème » malefaka. Alefa ao ny huile essentielle mba hanome hanitra azy.
Atao anaty « bocal » madio sy maina tsara ny « crème » dia avela hangatsiaka sy hihamafy kely.
Fomba fampiasana azy
Amin’ny volo mando: asiana kely amin’ny halavan’ny volo mba hanamandinana azy sy mba hanampy amin’ny famolavolana « boucles ».
Amin’ny volo maina: ampiasaina amin’ny tendron’ny volo mba hisorohana ny fahamainana.
Raha atao « masque » dia ahosotra betsaka amin’ny volo ary avela hilona mandritra ny 30 minitra hatramin’ny adiny 1 ora. Rehefa vita izay dia sasana amin’ny « shampoing » malefaka.



