• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Univers-Pharmacie.Webp
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ahoana ny fanadiovana tsara ny ratra rehefa tsy ampy fitaovana ?

17/04/2026 16:01 © Moov.Mg

Rehefa sendra maratra tampoka na any amin’ny toerana tsy misy fitaovana fitsaboana dia zava-dehibe ny fahaizana mikarakara azy amin’ny fomba tsotra. Ny fikarakarana tsara ny ratra dia manampy amin’ny fisorohana aretina sy fahasitranana haingana. Ireto àry misy torohevitra azo ampiharina hanadiovana ny ratra rehefa tsy ampy fitaovana.

Fanadiovana tsara ny ratra : sasana aloha ny tanana

Alohan’ny hikasihana ny ratra dia mila diovina ny tanana mba tsy hampiditra mikraoba. Rano madio (na dia mangatsiaka aza) sy savony (raha misy) no hanasana tanana. Afaka mampiasa « gel hydroalcoolique » ihany koa raha misy eo am-pelatanana. Dingana tsy maintsy atao izy io na dia mihevitra hoe efa madio aza ny tanana satria mora hidiran’ny mikraoba tsy tandrina ny ratra.

Diovona tsara ny ratra

Dingana iray lehibe amin’ny fikarakarana ny ratra ny fanadiovana azy. Ny fanalana loto moa ny fanadiovana voalohany amin’izany. Tsotra ny atao, sasana be amin’ny rano madio, toy ny rano fisotro, rano nampangotrahana navela hangatsiaka, na rano amin’ny tavoahangy ny faritry ny ratra. Esorina moramora amin’ny lamba madio na fitaovana madio ny loto hita maso (tany, fasika). Tsy kikisana loatra sao vao mainka miharatsy ny ratra.

Atao « désinfection » na fanadiovana mamono ny mikraoba

Raha ny tokony ho izy dia mampiasa « antiseptique » amin’ny fanaovana « désinfection » ny ratra. Raha tsy misy « antiseptique » moa eo am-pelatanana dia azo ampiasaina ireto manaraka ireto :
-Toaka na alikaola mahery (toy ny rhum). Hosorana manodidina ny ratra fa tsy atao ao anatiny, satria mety handratra sy hanemotra ny fahasitranana,
-Rano misy sira. Afangaro amin’ny rano madio ny sira kely (manampy amin’ny famonoana mikraoba),
-Vinaingitra notapohana rano kely. Azo ampiasaina amin’ny fatra malefaka raha samy tsy misy ireo voalaza eo ambony ireo.
-Tantely. Manana fiasa « antibactérienne » voajanahary izy io ka azo ahosotra manify eo ambonin’ny ratra efa voadio.

Saromana ny ratra

Rehefa voadio sy natao « désinfection » ny ratra dia tsara raha saromana. Lamba madio na mosoara na tapa-damba no hanaromana azy tsy ho tratry ny vovoka sy loto. Rehefa vita izay dia fatorana moramora amin’ny lamba mba hitazona.

Arahana maso ny fivoaran’ny ratra

Na dia voakarakara aza ny ratra dia mety hanonotra. Noho izany dia mila jerena tsara sao :
-Lasa mivonto na mivaramena be,
-Mitombo be ny fanaintainana,
-Misy nana mivoaka,
-Lasa manavy ilay maratra.
Raha miseho ireo soritr’aretina ireo dia mila mitady mpitsabo haingana araka izay azo atao.

Lire la suite

Articles Similaires