Andro iraisam-pirenena : Telo andro hampiroboroboana ny fanatanjahantena eto Madagasikara
Hotanterahina ny 24 ka hatramin’ny 26 aprily izao ny andiany faha-4 amin’ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Fanatanjahantena sy ny andiany faha-2 amin’ny Salon National des Sports. Entina amin’ny lohahevitra hoe “ny fanatanjahantena mampifandray sy mandrava sakana”, izy io. Mikendry kosa ny hampiroborobo ny fanaovana fanatanjahantena sy hanasongadinana ny talenta malagasy ity hetsika ity.
Hetsika maro mandritra ny telo andro
Mandritra ireo telo andro ireo dia hisy hetsika maro hanangonana ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena. Hisy fifaninanana, fampisehoana, fanentanana ary hetsika isan-karazany. Ny zava-kinendry amin’izany dia ny hamporisihana ny rehetra hanao fanatanjahantena sy hanamafisana ny fifandraisana eo amin’ireo federasiona, klioba ary tanora.
Tanjona amin’izany ihany koa ny hanohanana ireo talenta malagasy sy hamoronana toerana ahafahan’ireo mpisehatra mifampizara traikefa sy miara-miasa bebe kokoa. « Ny fanirianay dia ho lasa fotoana iray hanehoana ny hasin’ny fanatanjahantena sy ny soatoavina entiny ity hetsika ity », hoy i Rajohanesa Brice Harinirina, Tale Jeneralin’ny fanatanjahantena, mpisolo toerana, mpikarakara.
Anisan’ny hetsika lehibe ao anatin’ireo telo ireo ny « course de solidarité » izay hatao ny 26 aprily. Hiainga eny Analakely ireo mpandray anjara ary hifarana eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Maneho ny firaisankina sy ny fifanampiana amin’ny alalan’ny fanatanjahantena io hazakazaka io.
Lalao sy mari-pankasitrahana ho an’ireo mpisehatra
Hisy ihany koa ny lalao hifaninanan’ny solontenan’ny ministera sy ny mpianatra. Hifantoka amin’ny taranja basket 3x3 mifangaro sy ny baolina kitra A7 ireo lalao ireo. Tanjona amin’izany ihany koa ny hanamafisana ny firaisankina sy ny toe-tsaina fiaraha-miasa eo amin’ireo mpandray anjara. Homena sehatra manokana ihany koa ny tanora mba handray anjara amin’ireo hetsika rehetra.
Hofaranana amin’ny “Soirée des stars” moa ny hetsika, izay hanolorana mari-pankasitrahana ireo federasiona nahazo vokatra tsara tany ivelany.



