Antenimierampirenena : Hanamafy ny asa famahana ny olan’ny vahoaka ho amin’ny fampandrosoana
Nisokatra tamin’ity androany ity ny fivoriana ara-potoana voalohany ho an’ny taona 2026, eny amin’ny Antenimierampirenena, Tsimbazaza. Araka ny volazan’ny lalàna dia indroa isan-taona no hanatanterahana izany, ka isaky ny talata voalohany amin’ny volana may, no hanombohana ny fivoriana voalohany.
Handaniana lalàna hamahana ny olan’ny vahoaka
Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Siteny Randrianasoloniaiko, dia hifantoka amin’ny famahana ny olan’ny vahoaka, ny fivoriana. Ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana, izay tsy maintsy hodinihina dia hifantoka, indrindra amin’izany.
Hahafahana manatanteraka izany dia nilaza ity Filoha ity fa hanamafy ny fanaraha-maso ny asan’ireo mpanatanteraka izy ireo, dia ny eo anivon’ny Governemanta izany. « Vahaolana ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka no tedavina ka hanaramaso ny fahefana mpanatanteraka isika, tsy hisalasala hanatona ny tompon’andraikitra sy ny minisitra raha misy tsy mahafapo sy fahatarana ny asa », hoy Siteny Randrianasoloniaiko, tamin’ireo Solombavambahoaka, mpiara-miasa aminy. Nampatsiahiviny tamin’ny Praiministra, izay tonga nanatrika ity lanonam-panokafana ity fa Governemanta tsy mitavozavoza, no nisafidianan’ity farany, ireo mpikambana, ka miandrandra vokatra avy amin’izany ny vahoaka.
Etsy ankilany dia isan’ny ho arahi-maso ihany koa ireo lalàna, izay saika nijanona ho soratra ihany fa mbola tsy nampiharina. Mampihisatra fampandrosoana izany, hoy hatrany ny fanazavana ka tsy maintsy hatao izay handinihana azy, mandritra ity fivoriana ity. Hitondrana amin’ny fampiharana azy.
Hiasa ireo vaomiera 7 mpanao famotorana
Mbola isan’ny mitana ny sain’ny Malagasy ihany koa ny mikasika ny tatitry ny Fitsarana momba ny Kaonty. Isan’ny asa ho ataon’ny Antenimierampirenana ihany koa, raha ny voalaza ny fanadihadiana, mikasika ireo raharaha tsy mazava, hotanterahin’ireo Vaomiera mpanao famotorana miisa 7 ao amin’izy ireo.
Hojerena ao anatin’izany ny fitantanana ny Air Madagascar, ny fitantanana ny harena ankibon’ny tany hataon’ny Ambatovy. Eo ihany koa ny Base Toliara sy ny fitantanana ny zotra an-dalamby sy ny orinasa Jirama ary ny fitrandrahana hataon’ny QMM. Mbola manampy ireo rehetra ireo ny fitantanana nandritra ny fitondran’i Andry Nirina Rajoelina.
Manoloana izany dia antso kosa no nataon’ity Filoha ity, mba hanomezan’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola, ny enti-manana hahafahana manatanteraka ireo asa ireo. Marihina moa tsy tokony hihoatra ny 60 andro ity fivoriana ara-potona ity, raha araka ny lalàna hatrany. Rahampitso 6 may, kosa no handaniana ny fandaharam-potoana, mandritra izany.




