• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Paris Normandie
Image
Asa & Fianarana

Fahaiza-manao manan-danja amin’ny asa tsy ianarana any an-tsekoly

06/05/2026 15:24 © Moov.Mg

Tsy ny diplaoma sy ny fahalalana azo any an-tsekoly ihany no mamaritra ny fahombiazana eo amin’ny tontolon’ny asa. Maro ireo fahaiza-manao azo avy amin’ny fiainana andavanandro, ny fifandraisana amin’ny olona, ary ny traikefa manokana, izay tena ilaina mba hahafahana miasa tsara sy mandroso amin’ny asa. Ireo no antsoina hoe « soft skills », izay mitana anjara toerana lehibe amin’ny fidirana sy fisondrotana amin’ny asa. Araho eto ny santionany amin’izany.

Fahaizana mifandray sy mifampiresaka

Ny fahaizana mifandray dia anisan’ny fototra lehibe amin’ny fiainana arak’asa. Tsy ampy ny manana hevitra tsara, fa ilaina koa ny mahay maneho izany amin’ny fomba mazava sy mora azo, na amin’ny fitenenana na amin’ny fanoratana. Ankoatra izany, tena ilaina ny fahaizana mihaino. Manampy amin’ny fahazoana tsara ny toromarika sy ny hevitry ny hafa izany ary misoroka ny tsy fifankahazoana sy manamora ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miasa.

Fahaiza-miasa anaty ekipa

Amin’ny ankamaroan’ny asa, dia tsy miasa irery ny olona fa miara-miasa amin’ny ekipa. Noho izany, ilaina ny mahay miara-miasa amin’ny hafa, mizara asa araka ny fahaiza-manaon’ny tsirairay, ary manaja ny hevitra sy ny anjara birikin’ny mpiara-miasa. Rehefa tsara ny fiaraha-miasa dia mihatsara ny vokatra azo, mihena ny disadisa, ary miteraka tontolo iasana milamina sy mahafinaritra kokoa izany.

Fahaizana mitantana ny fotoana

Ny fahaizana mitantana ny fotoana dia manampy betsaka amin’ny fahombiazan’ny asa. Midika izany fa mahay mandamina ny asa tokony hatao, mahay manavaka izay laharam-pahamehana, ary mahay manaja fe-potoana voatondro. Rehefa voalamina tsara ny fotoana dia mihena ny fahatarana sy ny rarintsaina. Mihatsara ihany ny kalitaon’ny asa vita satria tsy maika sy tsy mikorontana.

Fahaizana manaraka ny zava-misy sy ny fiovana

Miova haingana ny tontolon’ny asa noho ny fandrosoan’ny teknolojia sy ny fomba fiasa vaovao. Noho izany, tena ilaina ny fahaizana manaraka ny zava-misy vaovao, na fiovana amin’ny asa izany na fitaovana ampiasaina. Ny olona mahay mandray sy mianatra haingana dia mora mandroso kokoa, satria afaka miatrika toe-javatra vaovao tsy misy tahotra na fisalasalana be loatra.

Fahaiza-mamaha olana

Mandritra ny asa dia tsy azo ihodivirana ny olana isan-karazany, toy ny fahatarana, tsy fahampian’ny « ressources », na tsy fifankahazoana. Noho izany, ilaina ny fahaiza-mandinika ny olana sy mitady vahaolana mety sy mahomby. Ity fahaiza-manao ity dia mitaky fisainana lojika, faharetana, ary indraindray koa famoronana, mba hahitana lalana vaovao handaminana ny toe-javatra sarotra.

Lire la suite

Articles Similaires