Tafafoha maraina be loatra matetika : inona no mety ho antony ?
Maro ny olona no matetika tafafoha maraina be loatra ary sarotra miverina mahita tory. Mety hahasosotra sy hahatonga havizanana mandritra ny tontolo andro izany. Matetika dia heverina avy hatrany fa avy amin’ny rarintsaina no anton’izany. Raha ny marina nefa dia misy antony maro samihafa mety mahatonga io fifohazana maraina be loatra io, mety ho ara-batana, ara-tsaina na mifandray amin’ny fomba fiaina andavanandro.
Tafafoha maraina be loatra matetika : noho ny rarintsaina sy asa-saina be
Ny rarintsaina no isan’ny antony mahazatra indrindra mahatonga ny olona ho tafafoha maraina be loatra ary sarotra mahita tory avy eo. Rehefa maro ny olana sedraina, toy ny olana ara-bola, arak’asa, ara-pitiavana na ara-pianakaviana, dia mety tsy tena miala sasatra tanteraka ny atidoha na dia efa matory aza ny vatana.
Matetika koa ilay vao maraina kely amin’ny 3 ora iny no mihamaivana kokoa ny torimaso ka mora mifoha ny olona rehefa misy ahiahy na eritreritra miverimberina ao an-tsaina. Misy aza no mifoha tampoka miaraka amin’ny fo mitempo mafy na fahatsapana tebiteby.
Fahaketrahana sy tebiteby maharitra
Matetika ny olona miaina ao anatin’ny tebiteby na fahaketrahana dia manana olana amin’ny torimaso. Tsy voatery ho tsy mahita tory avy hatrany izy ireo, fa mety ho tafatory tsara nefa mifoha imbetsaka amin’ny alina, indrindra eo anelanelan’ny amin’ny 2 ora sy 4 ora maraina.
Rehefa tapa-tory amin’io fotoana io dia sarotra ny miverina matory. Lasa vao mainka miasa be ny saina amin’io fotoana tokony ialany sasatra io.
Fihenan’ny siramamy ao anaty rà mandritra ny alina
Misy olona sasany no mety tafafoha tampoka rehefa midina loatra ny tahan’ny siramamy ao anaty rà mandritra ny alina, indrindra raha tsy ampy sakafo hariva na be siramamy ny sakafo nohanina mandritra ny andro.
Rehefa mitranga izany dia mamoaka “hormones de stress” toy ny « adrénaline » sy « cortisol » ny vatana mba hampiakatra indray ny siramamy ao anaty rà. Izany dia mety hiteraka :
-Fitempon’ny fo mafy,
-hanoanana tampoka,
-hatsembohana be,
-na fifohazana tampoka amin’ny alina.
Fiovan’ny hormonina
Misy fiantraikany lehibe amin’ny torimaso ihany koa ny hormonina. Amin’ny vehivavy ohatra, ny fadimbolana, fitondrana vohoka, vanim-potoana aorian’ny fiterahana na « ménopause » dia mety hanakorontana ny torimaso.
Ny hafanana tampoka amin’ny vatana sy ny hatsembohana amin’ny alina dia anisan’ny mahatonga fifohazana matetika. Mety hisy koa ny tsy fifandanjan’ny « cortisol », izay hormonina mifandray amin’ny rarintsaina.
Fampiasana efijery be loatra alohan’ny hatory
Ny fijerena finday, fahitalavitra na tambajotra sosialy ela loatra amin’ny alina dia mety hanimba ny kalitaon’ny torimaso. Ny hazavana manga avoakan’ny efijery dia mampihena ny famokaran’ny vatana ny « mélatonine » izay hormonina manampy amin’ny torimaso.
Na dia tafatory aza ilay olona dia mety tsy lalina tsara ny torimaso ka mora tapa-tory na mifoha maraina be loatra.
Toaka, kafe ary sigara
Misy mihevitra fa manampy amin’ny torimaso ny toaka satria mampatory vetivety. Ny marina nefa matetika dia manakorontana ny ampahany faharoa amin’ny torimaso izy io ka mahatonga fifohazana amin’ny alina na maraina be loatra.
Toy izany ihany koa ny kafe, « boissons énergisantes » ary sigara, indrindra raha laniana hariva na alohan’ny hatory.
Rahoviana no tokony hitandrina ?
Tsy voatery ho olana lehibe ny fifohazana maraina be loatra indraindray. Saingy tsara ny manatona mpitsabo raha :
-maharitra herinandro maro izany,
-reraka foana mandritra ny tontolo andro,
-mitombo ny tebiteby,
-misy fahasarotana amin’ny fifohana rivotra,
-na misy fanaintainana sy hatsembohana be miaraka amin’ilay fifohazana.




